airtel

Actualités

25-janv-2024

ANJIAJIA ANALALAVA

Dibo-drano tanteraka

Sample post image

Efa tafakatra 3.000 mahery ireo traboina any amin’ny distrikan’Analalava

25-janv-2024

hatramin’ny omaly Alarobia 24 Janoary. Taorian’ireo traboina miisa 2.000 vokatry ny ora-mikija tany an-toerana mantsy dia dibo-drano tanteraka indray omaly ny kaominina ambanivohitr’Anjiajia. Trano 333 tafo no tototry ny rano raha tapitra maty avokoa ny akoho amam-borona sy ny omby. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tananan’Anjiajia dia tsy voaisa intsony ireto farany. Ho azy sy ny ankohonany dia efa eny ambony tafo sisa izy ireo no miandry lakana mba hanavotra fa difotry ny rano tanteraka ny tranony. Toraka izany koa ireo fianakaviana hafa izay tena ahiana tanteraka ny ainy. Efa mipaka any amin’ny lalam-pirenena fahaenina ihany koa ny haavon’ny rano hoy hatrany izy koa hanaovany antso avo amin’ny Fitondram-panjakana. Mihoatra ny 60 isa moa ireo lakana tsy hita hatramin’ny omaly raha miisa 100 ireo simba. Potika tanteraka ny asa fiharian’ny mponina sy ireo hany mba fananana keliny nohariany.
Pati
Legende : Efa tonga hatreny amin’ny tafo tahaka izao ny haavon’ny rano ao Anjiajia ao !
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap