airtel

Actualités

06-juin-2024

ANKATOKY NY 26 JONA

Mbola tena maina ny tsenan’ny sainam-pirenena

Sample post image

Mbola tena maina ny tsenan’ny sainam-pirenena amin’izao raha araka ny

06-juin-2024

resaka nifanaovana tamin’ny mpivarotra iray tetsy Analakely. Ny mpanontany no betsaka hoy izy na dia efa hanomboka anio Alakamisy 06 Jona aza ny fananganan-tsaina amim-pomba ofisialy manerana ny Nosy. Etsy an-danin’izay nahitana fiakarany ihany koa ny vidin’ny sainam-pirenena. Raha 3.000 Ar ireo kely indrindra tamin’ny taon-dasa dia niakatra ho 5.000 Ar izany amin’izao. 30.000 Ar kosa no lafo indrindra miankina amin’ny habeny sy ny kalitaon’ilay lamba. Taratry ny fahasahiranan’ny Malagasy avokoa izany rehetra izany. Mbola ny sakafo hohanina isan’andro mantsy aloha no mahamaika ny rehetra amin’izao fa ny ankoatra izay dia mbola afaka miandry avokoa. Tsiahivina fa efa ho iray volana izao no hita teny an-tsena ny sainam-pirenena. Mbola mikaikaika hatrany ireo mpivarotra hatreto, tranga izay ahiana hitohy noho ny fahasorenan’ny vahoaka amin’izao fitondrana mijoro izao.
Pati
Legende : Jerem-potsiny aloha ny sainam-pirenena hatreto eny an-tsena !
 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga

Card image cap
23-juin-2025

Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha

Card image cap
23-juin-2025

Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.

Card image cap
23-juin-2025

Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,

Card image cap
23-juin-2025

Tsy tokony ho gaga isika raha mahantra ny firenena»

Card image cap
23-juin-2025

Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,

Card image cap