Na teo aza ny fampilaharan’ny gazety boky Forbes azy ho lohalaharana amin’ny renivohitra maloto indrindra aty Afrika, fahatelo maneran-tany, dia toy ny tsy mampihetsi-bolomaso ireo mpitantana ny tanàna izany. Eo ihany ny fako misavovona izay vao mainka mitombo andro aman’alina fa eo koa ireo endrika tsy fanajana maro ireo fananana iombonana. Ny varotra amoron-dalana mitombo hatrany. Ireo toerana natao hiandrasana fiara iombonana na «abris-bus» lasa sady fanahazan-damba, raha tsy hilaza afa-tsy ny tazana avy etsy amin’ny tetezan’ny Behoririka fotsiny. Asa izay hanjo an’Iarivo mandra-pahazony ben’ny tanàna vaovao fa dia manaikitra izay mety ho tomponandraikitra aloha hatreto no azo atao.
J. Mirija
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny