nankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan’ny Amiraly Didier Ratsiraka niarahana tamin’ny fianakaviany sy ireo mpikatroka ao anatin’ny Antoko Arema. Ny 04 novambra teo moa no tena daty nahaterahany ary efa nisy ny fanaterana fehezam-bonikazo teny amin’ny Fasan’ny mahery fo ho fahatsiarovana izany raha tsiahivina, fa lanonana tsotsotra ho fahatsiarovana no natao afak’omaly sabotsy . Nisy ny fiaraha-misakafo sy ny fifampizarana mofomamy nandritra izany. Ny Sekretera nasionalin'ny ’ny antoko Arema sy ny Sekretera nasionaly lefitra faritanin’Antananarivo no nitarika ny lanonana. Nandritra izany ihany koa no nanoloran’ny Sekretera nasionalin’ny Antoko Arema Rtoa Annick Ratsiraka ireo kandidan’ny antoko izay nirotsaka ho fidiana ho Ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Ambavahaditokana izay misy ny kandida Bezoma Luolin sy ao amin’ny Kaominina Ampanefy izay ahitana any kandida kolonely Lesabotsy. Nanome toromarika ireo kandida ireo ny Sekretera nasionaly ka nambarany fa ny Vahoaka hifidy azy ireo no tokony ho lohalaharana rehefa lany izy ireo fa tsy ny fianakaviana sy ny akamakama. Mila mamerina indray ny hasin’ny Vahaoaka sy i Madagasikara isika hoy ny hafatr’i Rtoa Annick Ratsiraka. Nanao antso avo ho an’ny Vahoaka malagasy ihany koa ny tenany mba samy hanefa ny adidiny amin’ny datin’ny 11 desambra ho avy io. Isaky ny dimy taona hoy izy no miverina tanteraka eo am-pelatanan’ny Vahoaka ny fahefana hamaritany ny hoavin’ny Kaominina misy azy. Narahiny fihainoana ny hetahetan’ireo mponina avy amin’ny Fokontany maro ao amin’ny Kaominina Ambavahaditokana izany raha nisy koa ny fifanakalozan-kevitra izay natao. Nandray anjara ihany koa ny lehiben’ny Fokontany teo aloha izay mpikambana Arema ihany koa. Mahatratra 61 moa ny kandida Ben’ny tanàna natolotry ny Arema manerana ny Faritany 6 mandrafitra an’i Madagasikara raha toa ka nahatratra 700 ireo nanam-pikasana.
Pati
Legende : Nandritra ny lanonana notanterahina tamin’ny Sabotsy teo teny Ambavahaditokana Itaosy !
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira