lasa teo no nifanaiky teo anoloan'Andriamanitra i Raharison Jaonary Mirija Mandimbivola sy Rajosoa Mamisoanirina Valèrie fa ho iray hany ary hifampizara fitiavana hamakivaky ny fiainana. Mazava tsara ny hafatry ny mpitandrina Barinarivo Rajosoa nitondra ny tenin'Andriamanitra nandritra ny fanamasinana ny fanambadian'izy roa kely teny amin'ny Fjkm Andrainarivo : mila Mifankatia, mifandefitra, mifanaja ary mifanampy. Niara-nifaly teny Ilafy niarakabtamin'ny mpivady vao moa avy eo ny fianakaviana sy ireo mpiaramoasa, tapaka sy namana . Mpanao gazety mikirakira ny politika sy ny kolontsaina eto amin'ny Tia Tanindrazana efa ho 10 taona izao i J Mirija ary i Valérie no nambabo ny fony sy anjara tandriify nosafidiany hiara-dia aminy. Mirary soa ho anareo mivady ny mpiara-miasa rehetra eto amin'ny Tia Tanindrazana, Top Radio, Jejoo.
Tia Tanindrazana