airtel

Actualités

16-oct-2023

Asa fanaovan-gazety malagasy

Miantso vonjy manoloana ny loza mihatra ny FAJM

Sample post image

Manoloana ny fitotonganan’ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahafahana misitraka vaovao ary mitrandraka vaovao

16-oct-2023

ihany koa dia azo lazaina ho efa loza mihatra amin’ny fanaovan-gazety malagasy tato anatin’ny 20 andro teo izao, hoy ny FAJM na ny federasionin’ireo fikambanan’ny mpanao gazety malagasy, ny tranga niseho maro. Tao, hoy ny fanambaran’izy ireo, ny fisamborana tsy ara-drariny ireo mpanao gazetin’ny Ako infos, ny fampiasana herisetra tamina mpanao gazetin’ny MBS Ambatondrazaka izay nandratra azy sy niteraka fahasimbana tamin’ny fiarany, ny ratra nahazo ireo mpanao gazety am-panatontosana ny asany ihany koa. Eo koa ny famoahana didy fampisamborana sy tsy misy fanazavana ho ana mpanao gazety iray, ny fanembatsembanana na “brouillage” atao amin’ireo onjampeo sy televizionina mampita ireo famakafakana mifandraika amin’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, ny fandrahonana mivantana amin’ny tambazotran-tserasera ny mpanao gazety iray iraky ny AFP na “Agence France-Presse” miasa eto, ny hetraketraka nataon’ireo mpanaradia kandida ho filoham-pirenena iray tamina mpanao gazetin’ny Tia tanindrazana izay nitohy tamin’ny fidirana an-tsokosoko tao amin’ny kaonty Facebook-n’ity farany sy ny fanimbazimbana izany kaonty manokan’olona izany. Isany koa ny endrika tsy firaharahiana fa fitanilan’ny Olafitry ny mpanao gazety malagasy na OJM manoloana ireo tranga ireo. Tsikaritra fa tsy afaka manatanteraka ny adidy masina tokony ataony an-kalalahana araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana sy ireo fifanarahana iraisampirenena nosoniavin’i Madagasikara ireo mpanao gazety malagasy amin’izao fotoana izao. Manaitra ireo tomponandraiki-panjakana, ny firaisamonim-pirenena, ny vondrona iraisampirenena ny FAJM fa misy zo fototra maro tsy voahaja ankehitriny eto amin’ny firenena. Herisetra sy tsy rariny no ampiharina amin’ny mpanao gazety ao anatin’izao vanim-potoana mialoha fifidianana izao. Manahy mafy ny amin’ny fitandroana ny ain’ireo mpanao gazety manao ny asany manoloana ny toe-draharaha ny FAJM, indrindra, mandritra sy aorian’ny fifidianana. Miantso vonjy amin’ireo sehatra rehetra voalaza teo, noho izany, hoy hatrany izy ireo mba tsy hipetra-potsiny manoloana izao loza mihatra amin’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-juil-2025

Ny 15 aprily 2025 teo no voalaza fa efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny

Card image cap
04-juil-2025

Manana akora fototra maro isan-karazany i Madagasikara, ary manana tany

Card image cap
04-juil-2025

Namoaka vokatra vaovao ny orinasam-pifandraisana Airtel hiarovana ny mpanjifa amin'ireo

Card image cap
04-juil-2025

Zatovovavy kely iray vao 17 taona monja monina eny Sabotsy Namehana

Card image cap
04-juil-2025

Olona 7 mianaka indray no fantatra fa tratran'ny fanapoizinana ara-tsakafo

Card image cap
04-juil-2025

Teratany vahiny iray monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina ny mponina

Card image cap