airtel

Actualités

14-févr-2024

Asan-dahalo any Menabe

Misy ambadika avo lenta ny nitifirana ny ben’ny tanàna iray ?

Sample post image

Lavon’ny balan’ny zandary ao anatin’ny Groupement Menabe omaly 13 febroary

14-févr-2024

ny Ben'ny tanàna ao Tsimafana-Belo/Tsiribihina antsoina hoe Haky Tsimidary. Tale Haky no anarana ahafahantaran'ny olona ity ben'ny tanàna ity. Mpitondra artista mpanao gadona kilalaky, mpandraharaha manao asa fitaterana any amin'iny faritra iny. Vao avy nivahiny tao amin'ny fandaharan’ny fahitalavitra iray teto Antananarivo izy ny 21 janoary teo. Niresaka indrindra momba ny tsy fandriampahalemana, ny asan-dahalo ary ny kolikoly any amin'io faritra misy azy io, raha ny fanamarihana. Avy nigadra herintaona ary nivoaka ny volana desambra 2022 noho ny raharaha mafana nahakasika azy ny tenany. Raha ny voalazan’ny zandary dia voatery nitifitra azy izy ireo satria nanandrana nitsoaka izy rehefa nosamborina. Nampitandremana in-telo hijanona fa nilefa ihany hany ka voatery nampiasa basy ny zandary, maty tamin'izany izy sy ny jiolahy iray hafa, hoy hatrany ny tatitra. Voalaza fa nosamborin'ny zandary i tale Haky rehefa notondroin'ny dahalo 1 mpaka an-keriny tratran'ny Jama ho maniraka ary mamatsy bala azy ireo. Teny an-dalana hitondrana azy hankany Andranomena CR Bemanonga no niseho ny fikasana hitsoaka, hoy hatrany ny Groupement Menabe. Andaniny, misy ihany koa no miahiahy fa mety misy ambadika avo lenta ity famonoana ity. Na marina na tsia, afaka ny tongony no notifirina. Mety nasaina nandositra, mety nahiana hamoaka ny marina, mety misy kopaka nisasahana, hoy ny fanehoan-kevitra. Voalaza mantsy fa mitaraina ny fianakavian’ity ben’ny tanàna ity fa novoina tamin’ny tsy ara-drariny ny havany. Voalaza fa niray tsikombakombakomba tamina tompon’andraikitra misahana ny fitandroana filaminana io ben’ny tanàna io. Voairak’ilay lehibena mpitandro ny filaminana hivarotra balana basy callibre 12 sy 16 sy bala Kalachnikov AK47. Misy resaka fanirahan’ilay tompon’andraikitra dahalo hiditra ao amin’io tanana io, ka ahiaina hivoaka ny marina satria efa tsy mifanaraka izy sy ingahy ben’ny tanona efa misy 3 volana izao, dia lazainy fa dahalo hono ary mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo, hoy ny andaniny. Voalaza fa efa nidina tao anatin’ny fiara hakaany amin’ny namany, ka milaza ny havany fa tsy nitsoaka fa niniana novoinaizy satria raha tonga any amin’ny fitsarana io dia hivoaka ny marina. Marina fa diso izy olon-dratsy satria mpiray tsikombakomba amin’ny ratsy saingy mila jerena ity raharaha ity. Manainga an’ny minisitra delege misahana ny zandarimaria sy fitsarana mba hijery akaiky an’ity raharaha ity fa loza raha izao no mitohy, hoy ny andaniny. Andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity !
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap