sarambabem-bahoaka izany eto Madagasikara. Manasokajy azy io ho mbola tolotra sy vokatra lafo sy sarotra sitrahana na « produit de luxe » azy aza ny rafitra ara-bola sy ara-toekarena maneran-tany. Nambaran’ny Banky Iraisam-pirenena, sampana Afrika, fa na dia manana tanjona ny hahatratra 80% amin’ny tahan’ny fidirana amin’ny herinaratra aza i Madagasikara amin’ny taona 2030 aza, dia 36% monja amin’ny mponina Malagasy no mbola afaka misitraka an’izany amin’izao fotoana izao. Arakan y tatitra navoakan’ny ekipa Banky Iraisam-pirenena eto an-toerana misahana ny sehatry ny angovo, dia vokatry ny antony maro nifandimby nandritra ny taona maro no nahatonga ny krizy ara-angovo sy herinaratra misy ankehitriny. Notsindriana mazava ihany koa ao fa ilaina ny fandraisana fepetra haingana, satria "raha tsy misy hetsika maika dia hisy indray ireo fahatapahan-jiro maharitra amin’ny taona ho avy sy aoriany". Efa iny nolazain’ny Jirama iny fa mihena ny tosiky ny rano, maloka ny andro, ka dia tsy maintsy misy ny delestazy. Mbola vao volana mey anefa isika, mbola ao anatin’ny ririnina, izany hoe : mbola hihena izay tsy izy ny tosiky ny rano rehefa tonga ny vanim-potoanan’ny main-tany. Tsy Antananarivo ihany, fa efa manomboka miha mangotraka ny delestazy manerana ny Nosy, izay heverina fa noho ny olana ara-bola hividianana solika. Anisan’izany ny any Manakara, Antsiranana,… Mampanahy ny vahoaka sy ireo mpanara-baovao ara-toekarena izany toe-javatra izany, satria manelingelina ny fiainana andavanandro sy mametra ny firoboroboan’ny indostria sy ny fandraharahana. Mbola lavitra anefa ny làlana mankany amin’ny tanjona 80%. Efa nisy ny tatitra sy vinan’ny Banky Iraisam-pirenena nialohan’izao fa mbola hitohy sy hangotraka ny delestazy ho an’ny 2025 raha tsy misy politikam-pitantanana mahomby mipetraka, ka dia io iaraha-mahita sy iainana io tokoa.
FAMPANANTENANA MANDAVAN-TAONA
Rehefa mafampana ny olan’ny herinaratra, dia zary mody resahana foana io, indrindra amin’ny fihaonana amin’ireo vahiny, ka navoitra indray tany Dubaï fa fanamby ny fampihenana ny fahazoana angovo lafo. Nambara fa efa niroso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny MAZDAR (Emirati) i Madagasikara hanangana 150MW amin’ny herinaratra avy amin’ny masoandro. Efa nanaovana serasera nipoapoaka tahaka izany ny dia nataon’i Andry Rajoelina tany Chine, nitohy tany Zimbabwe ny septambra 2024 ihany koa nisy resaka tahaka io ary tonga hatramin’ny hoe : hanodinana ny fakon’andralanitra ka afaka hamokatra herinaratra,... Efa betsaka ihany koa ny resaka momba ny arabo mikasika ny angovo. Mby aiza daholo ? Fampanantenana poakaty aloha no tena betsaka…
Toky R
Na dia hita ho toy ny lasa «fanalàna», araka ny fitenin’ny tanora,
Kaominina miisa 7 ahitana an’Ambatomena, Ibity, Maneva, Ankaromalaza Mifanasoa, Vohitsaoka,
Nanatanteraka ny diaben'ny fahaleovantena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny
Mitondra rivo-baovao ny AXCEL COMPANY
Mitondra tombony 18 miliara Ariary ho an’ny fanjakana Malagasy ny fananany
Tontosa omaly tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina na ny Tranoben’ny varotra sy indostria