airtel

Actualités

27-juin-2024

BEN’NY TANANA AO TALATAMATY

Mbola ho kandida Atoa Elie Dominic

Sample post image

Mbola ho kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanana amin’ny volana Novambra ho avy izao Atoa Raharinoasy Elie Dominic,

27-juin-2024

Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty am-perin’asa. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona teny amin’ity kaominina ity afak’omaly Talata 25 Jona, lanonana notanterahina teo an-tampon-tanana. Fampahafantarana ny vahoaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanana tao anatin’ny 4 taona nitantanany, fanaovana matso nandraisan’ireo mpianatra, mpiasan’ny kaominina, orinasa maro isan-tsokajiny anjara no notanterahina tao an-toerana. Betsaka ny asa vita hoy ny Ben’ny tanana. Efa mahatratra 90% izany saingy mbola misy ihany koa ireo tokony hotohizana. Mba hahafahana manohy izany indrindra no antony manosika azy mbola hilatsaka hofidiana indray ho fanasoavana ny vahoakan’i Talatamaty. Mitohy araka izany ny lalana ho an’ity Ben’ny tanana ity. Tsiahivina moa fa saika voakasika tao anatin’ny asa nataony avokoa ireo foto-drafitrasa mamaly ny filam-bahoaka ao Talatamaty toy ny fananganana sekoly ahitana ny EPP Ankadivory, Mahaibahoaka, Tanjondava ary Ambohinambo. Ny CSB vaovao ao Amborompotsy, ny famatsiana fitaovana sy masomboly ireo tantsaha mpamokatra, fandrotsahana zana-trondro isan-taona tao Andranotapahana, ny fanomezana fiofanana ny tanora sy ny mpanao asa tanana, ny fitsinjovana ireo zokiolona sy sahirana ary manana fahasembanana… Nofaranana tamin’ny fizarana loka ho an’ireo mpandray anjara nivoaka mpandresy tamin’ny lalao baolina kitra sy tsipy kanetibe ny lanonana. Nisy ny nahazo omby mifahy, ondry, gisa….
Pati
Legende : Tongotra mby an-dakana ny fampandrosoana ny kaominina Talatamaty ho an’ny Ben’ny tanana Elie Dominic !
 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Niakatra ny fanjifana tao anatin’ny 2 taona, miakatra 5% isan-taona ny filàna herinaratra,

Card image cap
04-juin-2025

Nisy fiakarany ny fampiasam-bola mivantana avy avy any ivelany (IDE) tamin’ny taona 2024,

Card image cap
04-juin-2025

Fety goavanambe no hotanterahina ao anatin'ny kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo

Card image cap
04-juin-2025

Am-pifaliana no ilazàna amintsika fa nanaiky ny fandaminana ny tsena eto Antehiroka

Card image cap
04-juin-2025

Mirongatra be amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe «Punaises de lit» na haom-pandriana,

Card image cap
03-juin-2025

May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.

Card image cap