Raha ny vaovao miely mantsy dia toa niverina indray ilay biby tsy fantatra nihinana biby fiompy sy nandrangotra olona tany an-toerana ka nahatorana ity farany.Ny harivan'ny 04 Jona lasa teo dia omby lahy mbola vatony no maty nohanin’ny biby tsy fantatra tao antampon'i Mahefa Fokontany Maromby,Kaominina ambanivohitr’i Mahatsara, raha ny fitarainana voarain’ny mpitandro ny filaminana.Tsy hita intsony ny lelan’io omby io sy ny fitaovam-pananahiny ary hita miparitaka teo akaiky ny rany. Mitovy tamin'ny tranga izay efa niseho volana vitsivitsy lasa tao anatin'ny faritra Distrikan’i Brickaville ity tranga ity hoy ny mponina ka efa mandeha ny fanentanana rehetra amin’izao mba hanara-maso ny biby fiompiny sy hanome vaovao ara-potoana ny tompon'andraikitra sy ny mpitandro ny filaminana raha sanatria misy trangan-javatra hafahafa.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay omby lahikely mbola vatony !
Niakatra ny fanjifana tao anatin’ny 2 taona, miakatra 5% isan-taona ny filàna herinaratra,
Nisy fiakarany ny fampiasam-bola mivantana avy avy any ivelany (IDE) tamin’ny taona 2024,
Fety goavanambe no hotanterahina ao anatin'ny kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo
Am-pifaliana no ilazàna amintsika fa nanaiky ny fandaminana ny tsena eto Antehiroka
Mirongatra be amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe «Punaises de lit» na haom-pandriana,
May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.