airtel

Actualités

29-févr-2024

CENHOSOA Soavinandriana

Tsy ampy ny tosiky ny rano, vatsiana avy aty ivelany aloha…

Sample post image

Niaiky ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-prenena fa tena nisintona ny

29-févr-2024

sain’ny maro omaly ny resaka tsy fahampian’ny tosiky ny rano eny anivon’ny CENHOSOA (Centre Hospitalier de Soavinandriana) na ny Hopitaly miaramila eny Soavinandriana. Nijery akaiky ny zava-misy ny delegasionina notarihin’ny Jeneraly RAMASY Heritiana, Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, izay sady Filohan’ny Filankevi-pitantanana eo anivon’ity Hôpitaly ity omaly, nanara-maso ireo asa eo an-dalam-panatanterahana mikasika ny famatsian-drano ao amin’ny CENHOSOA. Nitondra fanamarihana ny Minisiteran’ny fiarovana, fa mandritra ny tontolo andro isan’andro, dia betsaka ny mpampiasa rano eny amin'ny toerana manodidina io Hôpitaly io, ary misy fiantraikany lehibe amin'ny famatsiana rano ao an-toerana izany, indrindra ao amin’ny faritra misy ilay trano lehibe misy rihana miisa 5, sy ireo sampandraharaha mahazo ny toerana ambony manodidina ny tranom-paty. « Tsy mitsahatra mametraka vahaolana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, na ny avy eo anivon’ny Minisitera izany, na ny avy eo anivon’ny Hôpitaly, ary mandray ny andraikitra manandrify azy avy, mandram-pahatomombana ireo asa teknika rehetra efa imasoana eny an-toerana, hametrahana vahaolana maharitra, sy hanamaivanana izay mety ho fahasahiranana aterak’izany », hoy ny setriny. Ho fiatrehana ny zava-misy, napetraka eny an-toerana ny fiarabe mpitatitra sy mpizara rano avy amin’ny CPC na ny “Corps de Protection Civile” avy eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety. Eo koa ny fizarana rano ataon'ny miaramila miasa ao amin'ny Hôpitaly any amin'ireo Sampandraharaha tsy tongan'ny rano. Misy koa ny fiaraben’ny orinasa JIRAMA tonga mamatsy rano ao amin’ny Hôpitaly, mandritra ny fotoana fahatapahan'ny rano. Ankoatr’izany dia efa mifandray tsy tapaka ny tompon'andraikitry ny Hôpitaly sy ny tompon'andraikitra eo anivon'ny JIRAMA, ka efa mipetraka eny an-toerana nandritra ny andro vitsivitsy izao, ny fitaovana fandrefesana ny tosiky ny rano, hoy hatrany ny tatitra. Efa nisy ko ny fifanatonana tamin'ny Minisiteran'ny rano, ka efa nandefa manam-pahaizana manokana ity farany, nanao fitsirihana sy fanadihadiana teny an-toerana. Eo koa moa ny fifampiresahana efa natao tamin’ireo mpiara-miombon’antoka misehatra amin’ny famatsian-drano mipàka mivantana ao amin'ny Hôpitalin'ny zazakely, na "service de pédiatrie", sy ny "maternité". Nambara, fa ao anatin’ny fanomezan-danja ny maha-olona izany rehetra izany, ka misy hatrany ny fanaraha-maso eny ifotony izay ataon’ny Minisitera.
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Tsy voaharo ny harem-pirenena eto, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina sady

Card image cap
13-mai-2025

Andao harenina ity fitsarana ity. Sahia miteny isan’andro amin’ny havanareo: fahotana ny kolikoly .

Card image cap
13-mai-2025

Taorian’ny KFC izany dia hoavy eto Madagasikara koa ny Mc Donald’s na Mc Do,

Card image cap
13-mai-2025

Ny kojakojan-dakozia sy ny fandriana no tena be mpividy indrindra amin’izao ho an’ireo

Card image cap
09-mai-2025

Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hidina any Ranobe, Toliara,

Card image cap
09-mai-2025

Tena mijaly amin’ny hafitsoky ny mpamosavy ireo miaramila mitoby ao amin’ny tobiny any amin’ny

Card image cap