airtel

Actualités

06-mai-2024

CROIX ROUGE MALAGASY

Hampita ny traikefany amin’ny famonjena ireo tra-doza

Sample post image

Betsaka ireo olona tra-doza eny rehetra eny isan’andro. Ankoatra ireo torana fa tsy nisakafo maraina na koa lasibatry

06-mai-2024

ny aretina dia misy ireo voadonan’ny fiarakodia na moto tampoka eny am-pandehanana eny. Mialohan’ny hahatongavan’izy ireny eny anivon’ny hopitaly anefa dia ilaina ny fanaovana vonjy voina ho an’ny tra-doza mba tsy sanatria hahavery ra be azy loatra eny an-dalana….Hampita ny traikefany momba ny vonjy voina voalohany ho an’ireo olona tra-doza ny Fikambanana Croix Rouge Malagasy. Etsy amin’ny Hotel de ville Analakely no hanatanterahany izany ny datin’ny 08 May ho avy izao izay marihina fa tena tadiavin’ny olona maro tokoa no sady handoavam-bola raha ilana fiofanana manokana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny Fikambanana Croix Rouge Malagasy sy ny Croissant Rouge ity hetsika ity ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : Koloy hiaina ny mahaolona. Arahina fitiliana maimaim-poana ny aretina diabeta izay hiarahana amin’ny A.MA.DIA ny hetsika. Hisy ihany koa ny fanomezan-dra maimaim-poana. Hampahafantatra ny andraikitra sahaniny amin’ny mpiara-belona ihany koa ity Fikambanana ity mandritra izany.
Pati
Legende : Hampianatra maimaim-poana momba ny fandraisana an-tanana voalohany ireo olona tra-doza tahaka izao ny Fikambanana Vokovokomena Malagasy !
 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga

Card image cap
23-juin-2025

Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha

Card image cap
23-juin-2025

Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.

Card image cap
23-juin-2025

Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,

Card image cap
23-juin-2025

Tsy tokony ho gaga isika raha mahantra ny firenena»

Card image cap
23-juin-2025

Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,

Card image cap