airtel

Actualités

26-oct-2026

DADABE

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

Sample post image

Mitady ny havany,

26-oct-2026

tsy salama eny amin’ny hopitaly
Raim-pianakaviana iray antsoina hoe : Rakotondrasoa Jean Leon monina eny Behoririka eny no fantatra fa mitady ny havany amin’izao. Mandalo tsy fahasalamana izy ka izany Ratoky sy Herimamy izany, hono, no zana-dralahiny. Afak’omaly Sabotsy izy no hitan'ny olona teny Anosivavaka teny mety efa nolazoan’ny aretina sy ny hafanana ka tsy nahavita nitsangana intsony ary nanaovana antso avo tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Fantatra moa fa efa nanao ezaka ny nikarakara an’i Dadabe Rakotondrasoa Jean Leon ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina nitondra azy teny amin'ny Hopitaly Befelatanana. Toraka izany koa ireo mpitsabo ao an-toerana. Na izany aza antsoina hatrany izay mahalala ny havan’i Dadabe Rakotondrasoa Leon na afaka mampifandray azy amin’ny fianakaviany, indrindra ireo mipetraka eny Behoririka, mba hampandre azy ireo haingana. Tsiahivina moa fa mihamitombo isa hatrany ireo Ray aman-dReny harian’ny zanany na ny havany tahaka izao ankehitriny. Amin’ny ankapobeny anefa dia tena hananan-tsiny ny tsy firaharahiana azy ireny na inona na inona mety ho antony. Loharano nipoirana mantsy ny Ray aman-dReny ary tsy nahita masoandro isika raha tsy noho izy ireny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity Dadabe Rakotondrasoa Jean Leon narary hitan’ny olona teny Anosivavaka !
 

Dans la même rubrique

26-oct-2026

Ampiasao ny maha Malagasy

Card image cap
26-oct-2026

Goavana ! Hotsaraina eto

Card image cap
26-oct-2026

Milamina ho azy rehefa voahaja ny lalàna

Card image cap
26-oct-2026

Vokatry ny andrin-jiro nianjera sy ny

Card image cap
23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap