airtel

Actualités

09-juil-2024

Delestazy

Efa tsy rariny intsony, leo ny vahoaka!

Sample post image

Herinandro eo izay no nanaovan’ny Jirama serasera fa misy fahatarana ny famatsiana solika,

09-juil-2024

avy eo niova fa tara ny sambo. Nisy ny serasera namaritra ny tsy maintsy hisian’ny delestazy mifandimbimby ho an’ny tambajotra iraisan’Antananarivo, mba hisorohana ny fahatapahana faobe. Nolazaina tamin’ny voalohany fa 1ora sy sasany, niakatra 2ora,… Tsy niova firy ny seraseran’ny Jirama hatry ny omaly dia ny hoe : « Mbola tsy tonga ilay sambo mitondra solika mavesatra hampihodinana ireo milina mpamokatra herinaratra saika manerana an'i Madagasikara. Tsy maintsy mitsitsy ny solika eo am-pelatanana arak'izany ny Orinasa JIRAMA mba tsy hahatongavana amin'ny fahatapahan-jiro faobe,… Ho ampahafantarina antsika afaka fotoana fohy ny fandaharan'ny fahatapahana. ». Raha ny tena zava-misy anefa, dia efa misy mananika ora dimy na enina na mihoatra an’izay aza. Betsaka ny fitarainana omaly teto Antananarivo fa nanomboka tamin’ny 5ora ny fahapatahana, kanefa tamin’ny 10ora mbola tsy niverina, nisy tamin’ny 11ora mbola tao anaty fahatapahana,… « Tamin’ny 5 :15 no tapaka ny jironay, izao vao miverina (tamin’ny 12ora ataoandro) », hoy ny mponina teny Itaosy. tapany maraina izay, fa ny tapany hariva nanomboka tamin’ny 1ora sy 35 minitra ary naharitra ora maromaro ! Niroso tamin’ny fitokonana ny vahoaka teny Ambohitrarahaba omaly satria leo fahatapahana lava! Ny teny Ivato efa ny 27 jona, talohan’ity resaka fahatarana solika ity no nidina an-dalambe, fa leo delestazy,… Tsy eto Antananarivo ihany, fa manerana an’i Madagasikara mazava ho azy ny olana, fa manerana ny Nosy. Misy mihitsy no efa niroso tamin’ny fitokonana sy filanjana sora-baventy toy ny tany Ambositra ny faran’ny herinandro teo. ". Leo delestazy izahay, efa tena tsy rariny intsony ilay fahatapahama herinaratra miverimberina sy maharitra,", hoy ny vahoaka.
TROSA MISAVOVONA
Mampitombina hatrany ahiahy, fa serasera entina hampitoniana saim-bahoaka satria ahiana ho mampihena na mangeja ny fampitrosana solika amin’ny Fanjakana sy ny Jirama ny mpamatsy solika. Ny Fanjakana no nilaza ny 21 jona, fa mahatratra 1444 miliara Ar ny trosan’ny kaompanian-tsolika amin’ny Jirama ho an’ny 2023 fotsiny, izany hoe : mety efa mananika ny 2000 miliara Ar io amin’izao fisasahan’ny 2024 izao, raha kajiana amin’izany. Efa hatry ny ela ny fifanolanan’ny Fanjakana sy ny Kaompanian-tsolika, toy ny nilazan’ny Praiminisitra ny oktobra 2021 hoe : « Tsy azo terena handoa ny trosan’ny Jovena amin’ny JIRAMA ny Fanjakana raha tsy voamarina ny maha ara-dalana ireo faktiora ». Faktiora 8 volana an’ny kompanian-tsolika Jovena, izay ahitana ny vidin'ny solika mavesatra namatsiana ny Jirama sy ny hofan'ireo milina mpihary herinaratra. Ny volana jona 2022 ihany koa dia nisy ny olana goavana ara-tsolika ho an’ny Jirama ka nampihenana 30% ny famatsiana nanerana ny Nosy noho ny olana ara-bola,... Dia resaka sambo tara tokoa ve sa manenjana ny mpamatsy solika ary mbola tsy misy fifanarahana sy vahaolana mahomby dia ny vahoaka sy fihariana maro no hampifafana ny kihony ? Andaniny, ny mpitondra tapitra mangina sy misitri-belona be «werawera » eo anatrehan’ny olana! Ireo natao hisolovava ny vahoaka toa be tsy handraofana variana amin’ny kajy politika sy tombotsoany!
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap