herinaratra ao Andekaleka ka tsy maintsy hirosoana ny fampiasana ireo milina rehetra mandeha amin'ny solika (LFO) sy menaka mavesatra (HFO). Nampiakarina ho 450.000 litatra ny solika ampiasaina raha 250.000 hatramin'ny 300.000 litatra isan'andro izany teo aloha. Tsy maintsy ampandehanina ihany koa anefa ilay milina goavana TAC ao Ambohimanambola eo amin’ny 30MW mba hampihena ny fahatapahan-jiro. Fotoana voafetra ihany anefa no hampandehanana azy io mba tsy hisian'ny fandaniana mihoapampana amin'izany, hoy ny Fanjakana. Ampitomboana ho 15 hatramin'ny 20 isan'andro ny isan'ireo fiarabe mitatitra solika avy any Toamasina miakatra eto Antananarivo. Hisy ny fiaraha-miasa amin'ny Zandarimariam-pirenena hanara-maso ny fitaterana azy ireo sy ny fisavana ny lalana,... Zava-dehibe aloha ny vokatra hita sy tsapa ankehitriny, saingy tsy afaka midoka tena ny Filoham-pirenena sy ny Fitondram-panjakana satria asa sy andraikitra efa mandeha ho azy ny fisitrahan’ny vahoaka jiro sy rano ara-dalàna. Tsy hoe mihinam-potsiny ihany koa ny vahoaka fa mbola mandoa vola. « Ny fitondrana ihany no mamorona delestazy. Hay misy milina ao Ambohimanambola koa maninona no tsy nalefa fa hoe : izao vao halefa. Raha lany ny solika, dia aotra sy tsisy ilana azy izany ny « gestionnaire de stock » ao amin ny jirama. Tsy « huile lourde » vao nafarana io fa zavatra efa tao Toamasina dia izao « miwatawata » be fa voavaha ny delestazy. Ohatran’ilay hoe may ny « groupe » tao Andakaleka dia afaka 2 andro dia hoe efa tonga sahady ny solony », hoy ny olom-pirenena iray. Ny lafiny rano, nambara fa hanomboka faran'ny janoary 2025 ny asa fanamboarana ny tobim-pamokarana rano ao Amoronankona hamokatra 50 000-60 000 m³ isanan'andro, sy ny toby fitehirizan-drano ao Ambohibe. Nolazaina fa miroso ny fanajariana ireo « forages » 34 nahitana fahasimbana sy ny fametrahana « forages » vaovao miisa 35, araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra. Io fandavahana lava-drano io ilay handaniana 5 miliara Ar, izay manome 142 tapitrisa Ar ny iray ka asa hoe : lavadrano tahaka ny ahoana ? Sao mba bizina avo lenta? Betsaka izay fampanantenana sy vahaolana noresahana izay, saingy mbola ny resaka ambony latabatra natao izay, fa hatreto dia ny kivonjivonjy tavanandro no nisy satria tsy misy sori-dàlana mazava fa arakaraka izay zava-mitranga sisa hitantanana ny Firenena.
Toky R
Nanentana manokana ny tanora izay maro an’isa eto amin’ny Firenena sy antoky ny ho avy mba tsy ho kivy ary
Nosembanin-drahona indray ny tontolon’ny fizahantany ! Nofoanana ny fiantsonan’ny sambo goavana na paquebot
Fantatra tsara ny fahorian’ny mponin’Andravoahangy syny manodidina noho ny rano be isaky ny avy ora.
Maro ireo mpanara-baovao no tsy nanampo fa mbola hisy rotsak’orana ihany teto Antananarivo renivohitra ny 3 desambra teo.
Hita tao anaty rano teny Namontana afak’omaly Talata 03 Desambra toerana nahaverezany ihany ny vatana
Ankizy miisa 200 no indray notolorana kopia mari-pahaterahana omaly Alarobia 04 Desambra tao amin’ny Kaominina