Mody tapatapaka mian-dalana izany ary manao tohivakana amin’izay. Anisan’ny miaina izany ny mponin’Itaosy sy Fenoarivo samy ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Toraka izany koa ny mponin’Ankorahotra, Andavamamba sy 67 ha iny. Naharitra ora 4 isan’andro ny fahatapahan-jiro niainan’ny mponina nanomboka afak’omaly Sabotsy 03 May raha naharitra ora 02 teo ho eo izany tamin’ny Zoma 02 May. Ankoatra ny fahatapahan’ireo karazana asa fitadiavam-bola maro samihafa izay tsy zoviana amintsika intsony moa dia anisan’ny lasa adin-tsain’ny Ray aman-dReny indray ny olana sedrain’ny mpianatra amin’ny famerenan-desona amin’ny alina indrindra fa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana. Efa hotanterahina amin’io volana Jona ho avy io mantsy ny fanadinam-panjakana CEPE ary ao anatin’ny famerenana faramparany tanteraka ny mpiadina amin’izao volana May izao. Ho an’ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC indray dia efa hanomboka anio Alatsinainy 05 May ny adina ara-panatanjahantena raha amin’ny volana Jona ihany koa ny adina an-tsoratra. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Fitondram-panjakana sy ny orinasa JIRAMA. Raha vantany vao tara mantsy ny fandoavan-jiro avy hatrany dia tapaka izany nefa ny delestazy manao ny hataony tsy an-kiato tsy mba misy fitsinjovana ny mpanjifa kely akory.
Pati
Legende : Voatery mampiasa jiro kely tahaka izao ny mpianatra hanala fanadinana !
Niakatra ny fanjifana tao anatin’ny 2 taona, miakatra 5% isan-taona ny filàna herinaratra,
Nisy fiakarany ny fampiasam-bola mivantana avy avy any ivelany (IDE) tamin’ny taona 2024,
Fety goavanambe no hotanterahina ao anatin'ny kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo
Am-pifaliana no ilazàna amintsika fa nanaiky ny fandaminana ny tsena eto Antehiroka
Mirongatra be amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe «Punaises de lit» na haom-pandriana,
May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.