airtel

Actualités

30-avril-2025

Fahafatesan’ireo mpianatra miisa 5 tao Antsanitia

«Tokony hisy ny fanokafana fanadihadiana!»

Sample post image

Miombona alahelo noho ny fahaverezan-janaka tao amin’ny distrikan’i Manjakandriana,

30-avril-2025

hoy ny maintimolalin’ny lisea Manjakandriana, manoloana ny voina nahafatesana mpianatra miisa 5 tao amin’ity lisea ity raha nanao dia fibeazana tany Antsanitia, Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. Mpianatra nivoaka tao amin’izany lisea izany ny tena, hoy izy, ary isan’ny mba nikarakara dia fibeazana na «voyage d’étude» voalohany tao. Tohina tanteraka manoloana ny zava-niseho. Amin’ny maha Kristianina dia ekena fa Andriamanitra no mpandahatra ny fiainan’ny zanak’olombelona. Mampiseho miharihary nefa ireny fa tsy misy ny aroriaka eto amin’ny firenena. Tsy ampy ny fandraisana andraikitr’ireo heverina ho tokony tomponandraikitra. Na izany fady sy tsy azo atao any an-tanin’olona izany aza tokony fantatra mialoha. Tena nipetraka ve ny andraikitry ny tsirairay nialoha ireny rehetra ireny, na mpitondra io na ray aman-dreny na mpanabe. Alahelo ny maheno fa natao tany anaty entana ireo razana raha niverina tany Manjakandriana tamin’ny alalan’ireo fiara nitondra azy ireo tany ihany. Fanao ve izany. Nisaona moa izahay teto Manjakandriana. Ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena koa ve niombom-po tamin’izany? Inona no ilàna ny atao hoe PASCOMA anatin’ny tranga toy ireny? Tsy andoavan’ny ray aman-dreny vola ve moa ireny rafitra ireny? Heverina fa na tsy nisy aza ny fitoriana dia tokony hisy ny fanokafana fanadihadiana mikasika ny raharaha toy ireny! Ny tranga tahaka ireny nanakatonana sekoly mihitsy taloha saingy sekoly tsy miankina moa, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Niakatra ny fanjifana tao anatin’ny 2 taona, miakatra 5% isan-taona ny filàna herinaratra,

Card image cap
04-juin-2025

Nisy fiakarany ny fampiasam-bola mivantana avy avy any ivelany (IDE) tamin’ny taona 2024,

Card image cap
04-juin-2025

Fety goavanambe no hotanterahina ao anatin'ny kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo

Card image cap
04-juin-2025

Am-pifaliana no ilazàna amintsika fa nanaiky ny fandaminana ny tsena eto Antehiroka

Card image cap
04-juin-2025

Mirongatra be amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe «Punaises de lit» na haom-pandriana,

Card image cap
03-juin-2025

May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.

Card image cap