airtel

Actualités

09-oct-2026

FAKAN-KEVITRA

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Sample post image

Miantso ireo fikambanam-behivavy

09-oct-2026

ny Ministry ny Mponina
Vonona amin’ny fiatrehana ilay fakan-kevitra nasionaly natokana ho azy ireo ny vehivavy Malagasy. Vehivavy mpitarika fikambanana manerana ny Nosy, solontenan’ireo faritra, no niara-nivory ho fanomanana izany omaly. Nasongadina ny fanamafisana ny fiveloman’ny vehivavy, ny ady amin’ny herisetra, ny fanambadian’ny ankizy, ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra. Nohamafisina ihany koa ny fampiofanana, ny fampananan’asa, ny fahasalamana indrindra ny fiarovana ireo olona tena marefo. Ny hampivondronana ireo fikambanana, mba hamolavola tetikasa iombonana maharitra ary mitondra fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena no tanjona. Eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny mponina sy ny firaisankina no hanamafisana ny fifandraisana sy ny fanohanana azy ireo.Natsangana nandritra ny fihaonana ihany koa ny rafitra isam-paritra, ka voatendry ny filoha sy ny lefiny. Izy ireo no handrindra ny fiaraha-miasan’ireo fikambanam-behivavy, hampita ny filana eny ifotony ary hifandray mivantana amin’ny Ministeran’ny Mponina sy Firaisankina. Notarihin’ny Minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Ramatoa Rakotoniaina Voahanginirina Cathia, ny fihaonana. Nohamafisiny fa hery iray mitondra ny Firenena ny vehivavy rehefa miray hina, ary vonona ny Fitondram-panjakana hanohana azy ireo amin’ny alalan’ny politika mazava sy tetikasa mivaingana mifanaraka amin’ny tena filàna eny ifotony. Manentana ireo fikambanam-behivavy mbola tsy tafiditra na tsy naharay ny fampahafantarana mba hanatona sy hifandray amin’ny Ministeran’ny Mponina sy Firaisankina araka izany ny Ministra no sady hitondra ny taratasy fanamarinana ny fisoratana ara-dalan’ny fikambanana hahafahany mandray anjara amin’ity hetsika ity.
Pati
Legende : Nandritra ny dinika fanomanana natao omaly !
 

Dans la même rubrique

09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Mpisehatra matihanina maherin’ny

Card image cap
09-oct-2026

Mpiadina miisa 2.582

Card image cap
08-oct-2026

Novahan’ny Fanjakana ny

Card image cap