Anisan’ireny ny dabilio sy ny seza hianaran’ny mpianatra ankoatra ireo karazana kojakoja ilaina ao an-tokantrano. Mahavita dabilio iray sy seza iray ny fako plastika 28Kg raha araka ny nambaran’ny Andao Compagny izay mpamokatra azy. Miara-miasa Alcico izy mandritra izany amin’ny alalan’ilay tetikasa Etoile ka ny sekoly mila izany no manangona ny fako plastika raha ny Andao Compagny kosa no manodina azy. Anisan’ny nahazo dabilio sy seza plastika misa 20 avy amin’ity orinasa ity ny EPP Fitroafana Talatamaty. Natokana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy faha-enina sy fahafito izany, fiaraha-miasa efa nanomboka tamin’ny taona 2024 hifarana amin’ny taona ho avy 2026 teo amin’ny orinasa sy ny sekoly. Fantatra moa fa maharitra kokoa ny dabilio vita amin’ny fako plastika raha oharina amin’ny dabilio vita amin’ny hazo. 2 taona monja mantsy no faharetan’ity farany raha mahatratra 3 taona ireo vita amin’ny fako plastika mahazaka mpianatra 3 isanisany.
Pati
Legende : Tsara sady mateza ny dabilio sy ny seza plastika !
Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga
Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.
Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,
Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,