Vidin-tsolika moa no hamehezantsika malagasy azy na resaka ilay tena solika na «gasoil» io na ny lasantsy na ny solitany na «petrol». Heverina ho ao anatin’ny tokontanin’ny atao hoe famahana ny olan’ny angovo eto Madagasikara avokoa izany na dia miteraka adihevitra marobe toy ny hoe hay ve izy io azo ampidinina ihany izany? Isan’ny fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao samihafa koa ny hoe fa naninona tamin’ireny fotoanan’ny COVID 19 ireny no nahavita nampidina ny azy daholo ny firenen-kafa, nisy aza hoy ny mpahaitoekarena, Jean Jacques Ratsietison izay, firenena sasany, ireo izay naka ny solika tao aminy indray no nomena vola? Isika irery no tsy nanetsika ny vidiny fa nampiakatra hatrany aza dia io vao mba mody nampidina izany io tamin’ireny fotoana ireny. Etsy ankilany dia tsikaritra ho nahamay indray ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy sy rano indray tamin’iny sabotsy iny, raha ny angom-baovao tamin’ireo toerana samihafa teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Hita ho miantraika amin’ny herinaratra sy rano hatrany hatreto, araka izany, ny famahana ny olan’ny angovo eto amin’ity Madagasikara ity. Miandry vahaolana maharitra.
Nangonin’i J. Mirija
Ny 15 aprily 2025 teo no voalaza fa efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny
Manana akora fototra maro isan-karazany i Madagasikara, ary manana tany
Namoaka vokatra vaovao ny orinasam-pifandraisana Airtel hiarovana ny mpanjifa amin'ireo
Zatovovavy kely iray vao 17 taona monja monina eny Sabotsy Namehana
Olona 7 mianaka indray no fantatra fa tratran'ny fanapoizinana ara-tsakafo
Teratany vahiny iray monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina ny mponina