airtel

Actualités

28-avril-2025

Fametrahana angovo marin-toerana

Miara-miasa ny JIRAMA sy ny FILATEX ENERGIES

Sample post image

Rivo-baovao mitsoka fanatenana ho an' ny sehatry ny angovo eto Madagasikara,

28-avril-2025

amin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana manan-tantara eo amin’ny JIRAMA, orinasam-panjakana misahana ny herinaratra sy ny FILATEX ENERGIES, mpisehatra vaventy izay soloin'ny orinasa NOVA, AFRIPOWER ary VESTOP tena. Ity fiaraha-miasa stratejika ity dia manamarika dingana lehibe amin’ny fanatsarana sy fampitoviana ny famatsiana herinaratra amin’ireo tanàn-dehibe manerana ny Nosy, toa an’Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, Toliary ary Antananarivo renivohitra, hoy ny fampitam-baovao Miompana amin'ny fandraisana vahaolana angovo maharitra sy mahasoa ara-toekarena ity fiaraha-miasa ity. Ny ivony dia ny fanaovana laharam-pahamehana ny angovo azo havaozina, indrindra ny herin'ny masoandro, miaraka amin'ny fametrahana rafitra fitahirizana vokatra matianina. Io fomba fiasa vaovao io dia tsy vitan’ny hoe hampitombo ny fahatokisan’ny famatsiana herinaratra, fa hampihena be ihany koa ny fiankinan’ny JIRAMA amin’ny solika. Ny fifanarahana dia misy fiantohan'ny roa tonta: hametraka angovo azo havaozina 25 MW fanampiny ny vondrona FILATEX amin’ity taona 2025 ity ary 43,5 MW amin’ny taona 2026. Hampifandray ireo amin’ny tambajotrany ny JIRAMA. Ao anatin’io fifanarahana io ihany koa ny adidy ara-bola an’ny JIRAMA, izay tsy maintsy mandoa vola tsy tapaka sy manefa ny trosany miaraka amin’ny fanohanan’ny fanjakana. Tsara ny fiarahamiasa amin'ny famokarana herinaratra raha tsara tantana ny orinasa jirama, fa tsy sanatria rehefa mandeha eny ny volana sy ny taona dia hoe tsy voaloa ny volan'olona dia ho tapaka indray ilay famokarana herinaratra. Marina fa tena eo ny tsy fahampian'ny vokatra sy ny fahanteran'ny fitaovana fa tena mbola zava-doza lavitra mihoatra an'izay ny tsy fahaiza-mitantana sy risoriso nanaratsy endrika sy nanapotika ny jirama. Raha voatsabo io dia tsy sarotra ny famahana ny olan'ny delestazy. Légende: Manomboka maka toerana amin'ny famokarana angovo ihany koa ny Filatex.
Nangonin'i RTT 

Dans la même rubrique

04-juil-2025

Ny 15 aprily 2025 teo no voalaza fa efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny

Card image cap
04-juil-2025

Manana akora fototra maro isan-karazany i Madagasikara, ary manana tany

Card image cap
04-juil-2025

Namoaka vokatra vaovao ny orinasam-pifandraisana Airtel hiarovana ny mpanjifa amin'ireo

Card image cap
04-juil-2025

Zatovovavy kely iray vao 17 taona monja monina eny Sabotsy Namehana

Card image cap
04-juil-2025

Olona 7 mianaka indray no fantatra fa tratran'ny fanapoizinana ara-tsakafo

Card image cap
04-juil-2025

Teratany vahiny iray monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina ny mponina

Card image cap