Voasambotry ny Polisim-pirenena ireo fito lahy voarohirohy tamin’ny fanendahana miharo vono olona nahafatesana teratany vahiny iray. Teny Ambolokandrina no nisehoan’ity asa ratsy ity ny 28 aogositra 2026 nahafatesana lehilahy 54 taona, rehefa nokapohan’ireo olon-dratsy tamin’ny hazo misy fantsika teo amin’ny lohany ity vazaha ity ary norobain’izy ireo avokoa ny fananany. Nanao fanadihadiana lalina ny polisim-pirenena eo anivon’ny Sampan-draharaha Miady amin’ny Heloka Bevava (BC) ao Anosy, rehefa nampahafantarina ity tranga ity. Vokatry ny fikarohana, tra-tehaky ny Polisy ireo jiolahy telo voalohany. Nandritra ny fanadihadiana dia hita ihany koa ireo mpividy entana halatra, ka rehefa natao ny fisavana dia nahitana entana maro halatra tao amin’izy ireo, anisan’izany ny basy poleta iray sy fitaovana maro entin’izy ireo hanaovana asa ratsy. Taorian’ny nanolorana azy ireo teo anatrehan’ny Fampanoavana ny 15 Septambra 2026, nidoboka am-ponja avokoa izy fito lahy, ka ny roa any amin’ny fonjan’i Tsiafahy ary ny dimy kosa any amin’ny fonjan’Antanimora, araka ny tatitra ofisialy.
Toky R
Handoavana 15000Ar isaky ny fiara tsy misy entana