airtel

Actualités

30-avril-2025

FAMONOANTENA

Lehilahy no betsaka mamoy fo !

Sample post image

Lehilahy no betsaka mamono tena eto amintsika raha araka ny fanadihadiana natao.

30-avril-2025

Lohalaharana amin’izany ireo nanana olana tamin’ny vady andefimandriny na ny olon-tiany raha tsy latsa-danja amin’izany ireo tsy mety mahita asa mihitsy na very asa fivelomana. Raha miisa olona 3 mamono tena ohatra dia ny 2 amin’ireo lehilahy avokoa, araka ny fanadihadiana natao hatrany. Vao omaly Talata 29 Aprily ohatra dia lehilahy iray manodidina ny 30 taona mahery no nitsoraka tao ambany fiara semi-remorque ka namoy ny ainy. Nipotsaka mihitsy ny ati-dohany raha araka ny loharanom-baovao azo. Raha araka ny voalazan’ireo nanatri-maso dia efa ny hitsoraka Ratompokolahy teny am-piangonana saingy tafajanona ny mpamilin’ilay semi no sady mikisaka. Raha vantany vao nampiditra vitesse indray anefa ilay mpamily dia nitsoraka fanindroany izy ka izao tafiditra tany ambany kodiarana izao ary namoy ny ainy. Sady nalahelo no tezitra ny ankamaroan’ireo olona nanatrika ity tranga ity. Teo an-daniny nalahelo ilay mpamily izay lasa namono olona tsy fidiny. Teo an-kilany kosa sorena tamin’ilay lehilahy noho izy nahavita namono ny tenany. Na inona na inona mantsy olana tsy maintsy sedraina amin’ny fiainana dia tokony hatrehina hatrany fa tsy sanatria handaozana ny tany tsy amin’ny fotoanany tahaka izao ka hanomezana olana na fahasahiranana ho an’ny hafa indray. Tsy olona iray rahateo no mitondra izany fa samy manana ny anjara hazo fijaliany.
Pati
Legende : Nandritra ilay loza nitranga tetsy amin’ny Fasan’ny Karana !
 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga

Card image cap
23-juin-2025

Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha

Card image cap
23-juin-2025

Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.

Card image cap
23-juin-2025

Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,

Card image cap
23-juin-2025

Tsy tokony ho gaga isika raha mahantra ny firenena»

Card image cap
23-juin-2025

Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,

Card image cap