airtel

Actualités

29-janv-2025

Famotehana ara-toekarena goavana… Ny zana-bolan’ny banky efa

midangana, mbola hitrongy 20% ny Fanjakana…

Sample post image

Manomboka mikolay ireo banky ara-barotra eto amintsika eo anatrehan’ny fakan’ny Fanjakana 20%

29-janv-2025

amin’ny findramam-bola mandeha amin’izy ireo. Mihena ny vola azon'ny banky fa lasa manome 20% amin’ny fanjakana. Tadidio fa ny fampindram-bola rehetra ataon'ny Banky dia arahi-mason'ny Banky foibe daholo izany hoe tsy afaka hialana ny mandoa an’ilay 20% io, hoy ny mpahay toekarena iray. Raha hihindram-bola dia mankany amin’ny banky manao dosie, rehefa tafiditra ilay findramam-bola na « prêt » dia fantatry ny Banky Foibe, ka rehefa mivoaka ny vola dia misy ampahany tonga dia mankany amin’ny Fanjakana aloan'ny banky, io ilay 20%, raha ny fanazavana. Mazava ho azy fa hisy akony amin’ireo mpanjifan’ny banky io satria tsy maintsy hanivana tsara ny banky mba ho olona mahaloa vola tsara na « entreprise bon payeur » no homeny vola ampindramina satria handoavany an’ilay 20% amin’ny Fanjakana. « Mody nahidina kely ny solika fa pehany sy fenoiny any amin’ny banky indray. Famotehana toekarena daholo zany », hoy hatrany ny mpahaitoekarena. Tsy nisy an’izany taloha fa vao izao no mihatra. Na ny mety ho tombotsoa na « prime » kelin’ireo mpiasan’ny banky aza mety ho tapaka noho ny tsindry aterak’ilay fandoavana ny 20% an’ny Fanjakana. Efa lany tsy nasiam-panitsiana tamin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2025, saingy andrasana ny mety ho setriny na fanampim-panazavana bebe avy amin’ny Fanjakana. Manao ny fomba rehetra hitrongisana vola amin’izay sehatra hahafahana manao izany ny Fitondrana rehefa zohiana : mobile money, hetran-trano sy hetran-tany, fanafarana entana,…

HENJANA NY SIVANA ATAON’NY BANKY
Ny 79,4% amin’ireo banky eto Madagasikara no nilaza fa nandà teo amin’ny 0 hatramin’ny 25% tao anatin’ny 3 volana fahatelon’ny 2023, ka ny orinasa lehibe no tena tratry ny fandavana izay nahatratra 23,5%,… Tao anatin’ny tatitry ny ECE (Enquête de Conjoncture Economique) nataon’ny Banky Foibe mikasika ny tontolon’ny banky eto amintsika nivoaka ny janoary lasa teo ihany koa dia namoaka fa niainga 00% ary tonga hatrany amin’ny 25,0% ny tahan’ny fandavana findramam-bola nataon’ireo banky izay tafakatra 87,5% amin’izy ireo no nanao izany ho an’ny telo volana fahatelon’ny taona 2024. Anton’ny fandavana ny tsy fahampian'ny antoka, ny trosa namatotra, ny fahitana olan’ny mpangataka any amin'ny banky hafa, ny tsy fahatomombanana amin’ny famerenam-bola, ary ny haavon'ny trosa be loatran'ny fangatahana. Ireo fandavana ireo dia mahakasika indrindra amin'ny orinasa orinasa madinika, raha ny filazan’ny 28,1%-n'ny banky nanaovana fanadihadiana, araka ny tatitry ny ECE.

TSY HAHAFAHAN’NY TOEKARENA MIVOATRA
Eto Madagasikara anefa, tena mbola henjana ny findramam-bola eo anatrehan’ny zana-bola ambony. Ho an’ny Banky Foibe, raha ny fanaopahana ny farany ny faran’ny taona 2024, dia 9,5% ny « taux de facilité de dépôt » ho an’ireo Banky eto an-toerana, ary 11,50% kosa ny « taux de facilité de prêt marginal ». Mety manodidina ny 8% hatrany amin’ny 20% ny findramam-bola amin’ny banky tsotra, raha manodidina 4 na 5% ny zana-bola ahafahan’ny orinasa sy ny seha-pihariana mivoatra sy mivelatra ho an’ny any ivelany. Ny eto amintsika tena tena vesatra be ny famerenana ny volan’ny banky miaraka amin’ny tombony mihoampampana izay vao hitady tombony ao anatin’ny fandraharahana sy fihariana. Nisy ohatra tany aloha ny BTM na Bankin'ny Tantsaha Mpamokatra fa efa lasan’ny tsy miankina tao anatin’ny « privatisation ». Lojika raha tsy tena afaka mivoatra sy mivelatra ny toekarena eto, ny Fanjakana tokony ho mpanalalana ny fihariana tsy hita izay tena ataony,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-juin-2025

Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry

Card image cap
17-juin-2025

Olona am-polony ny namoy ny ainy vokatry ny fahapoizana ara-tsakafo tamin’ny

Card image cap
17-juin-2025

Niamboho ny alahady 15 jona teo amin'ny faha 83 taonany i Pr Yvette Rabetafika,

Card image cap
17-juin-2025

Tsy nipetra-potsiny fa omaly ihany dia nidina ifotony teny Ambohimangakely,

Card image cap
17-juin-2025

Noraisina tetsy anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy

Card image cap
17-juin-2025

Rehefa volana Jona tahaka izao dia tsy vitsy ireo te-hanatsara ny ao an-tokantranony ao.

Card image cap