airtel

Actualités

27-août-2026

Fampiasana tambajotran-tserasera

Ilain’ny toekarena nomerika,

Sample post image

fa mila fehezina ireo zava-doza

27-août-2026

Sokajiana ho efa tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny olombelona ny tambajotran-tserasera. Eto Madagasikara, 21,8 tapitrisa na 66,2% amin’ny mponina no mampiasa finday, olona 6,71 tapitrisa mampiasa Internet (20,4% amin’ny mponina), ary 7,3 tapitrisa mampiasa tambajotra sosialy (27,5% amin’ny mponina) amin’izao taona 2026 izao, araka ny tatitry ny Digital 2026 Madagascar Report. Mandany eo amin’ny 2 ora sy 15 minitra isan’andro amin’ny tambajotra sosialy ny Malagasy iray. Ara-toekarena, manodidina ny 3% amin’ny harin-karena faobe na PIB nasionaly ny nomerika hatreto, araka ny tatitra Africarrières sy ny INSTAT. Ny PIB manontolo dia tombanana ho 17,4 miliara dolara, ka ny toekarena nomerika dia mitentina eo amin’ny 520–550 tapitrisa dolara eo. Betsaka ireo asa sy sehatr’asa miorina amin’ny nomerika sy ny teknolojia, ka anisany ny tambajotran-tserasera. Andaniny anefa, mila fehezina ireo voka-dratsy mamotika : mampiakatra ny tahan’ny herisetra sy ny heloka, hevi-dratsy, fanolanana, fisolokiana avo lenta, ny fahapotehana ara-piarahamonina sy ara-toetsaina,… Eran-tany, ny Facebook no isan’ny sehatra lehibe ahitana votoaty mifandraika amin’ny heloka bevava sy fanararaotana ara-nofo, na dia misy aza ny ezaka ataon’i Meta hanesorana izany. Tamin’ny telovolana faha-4 taona 2025, 10 tapitrisa votoaty momba ny fanararaotana ankizy no voafafa, ary 2,5 tapitrisa hafa momba ny fitanjahana sy herisetra ara-batana. Tamin’ny 2026, ny CyberTipline dia nahazo 80 000 – 100 000 tatitra isan’andro momba ny sary sy horonan-tsary fanararaotana ankizy. Ny tanora 13–17 taona no tena marefo amin’ny fampijaliana sy fanararaotana. Tsy dia tena mbola ampy ny fepetra hentitra sy fanenjehana manodidina ny votoaty mety hitera-doza eto Madagasikara, na efa misy aza ny lalàna 2014-006 sy 2016-031 mikasika ny heloka an’habaka izay manasazy ny fanompàna sy fanevatevana amin’ny tambajotran-tserasera. Ny Borigady Foibe miady amin’ny Heloka Bevava an-tserasera (BCLCC) dia manara-maso sy mampitandrina ny vahoaka amin’ny fandrika nomerika, saingy heverina fa tokony hamafisina. Manomboka efa manamafy ny lalàna anefa ny Firenena sasany, toy ny any Frantsa izay nanao lalàna vaovao mikendry ny hiarovana ny ankizy amin’ny loza ateraky ny votoaty manimba sy ny fampiasana tafahoatra. Manomboka ny 1 Septambra 2026, ny ankizy latsaky ny 15 taona dia tsy mahazo manokatra kaonty intsony amin’ny tambajotra sosialy rehetra, anisan’izany ny Facebook, Instagram, TikTok, sy ny hafa. Ny kaonty efa misy kosa dia tsy maintsy ho voafafa amin’ny 1 Janoary 2027. Natao io ho fiarovana amin’ny fanevatevana, fanararaotana, ary fikorontanan-tsaina izay matetika mitranga amin’ny sehatra nomerika. Ny tatitra avy amin’ny OMS dia mampiseho fa 11% amin’ny ankizy any Eoropa no manana olana amin’ny fampiasana tambajotra sosialy. Ankoatra izany, voarara ny fampiasana finday any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, toy ny efa fandrararana any amin’ny ambaratonga fototra sy Kolejy any Frantsa. Tsy voatery haka tahaka be fahatany isika, saingy mila arofanina ny fikirakirana tambajotran-tserasera mba ho amin’ny mahasoa. Tena mila fitandremana be satria tsy tena fiainana ny tambajotran-tserasera tokony hozaraina eny avokoa ny zava-drehetra !
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-août-2026

Zazalahy 2 maty maty nipoahan’ny

Card image cap
26-août-2026

tsy nahavaha olana

Card image cap
26-août-2026

fahaverezam-panahintsika!»

Card image cap
26-août-2026

maso sy fisavana ny Minisitera

Card image cap
26-août-2026

Madagasikara hizorana

Card image cap
26-août-2026

120 tapitrisa dolara fa tsy 77

Card image cap