airtel

Actualités

29-juil-2024

Fampiasana zaza tsy ampy taona

Mahatratra 47% amin’ny ankizy 5-17 taona

Sample post image

Nankalazaina ny faran’ny herinandro teo tany Antsiranana ny andro maneran-tany

29-juil-2024

hiadiana amin'ny fampiasana ankizy tsy ampy taona. Nisongadina tamin'ny fankalazana ny fifanaovan-tsonia sy fifanekena nataon'ny rehetra, amin'ny alalan'ny fifanarahana hanohitra ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, ankoatra ny fifanakalozan-kevitra ara-tsosialy. Araka ny valin'ny fanadihadiana nasionaly momba ny toe-javatra ara-tsosialy sy ny fitsinjaran’ny mponina miainga amin'ny tokantrano (MICS6 - 2018), dia mbola miparitaka be ny fampiasana ankizy sy ny vokany ratsy eto Madagasikara, izay ahitana ankizy iray amin'ny roa, eo anelanelan'ny 5 ka hatramin'ny 17 taona, miasa amin'ny tontolon'ny asa izay 47% eo ny antontan’isa, na dia eo aza ny lalàna mifehy momba ny fanafoanana ny endrika rehetra fampiasana ny ankizy. Marihina fa ny asa an-tanana ho an'ny ankizy dia tena mihoatra ny amin'ny zazalahy (50%) raha oharina amin'ny zazavavy (44%). Ho an’ny ankizy izay tsy mandia sekoly, dia mihoatra ny antsasany no lasa miasa sahady. Ny fanadihadiana momba ny toe-javatra ara-tsosialy sy demografika dia manamafy fa ny asa an-tanana ho an'ny ankizy dia mety hiteraka fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamana, ny fanabeazana, ary ny fivoarana ara-tsosialy. Miantso amin'ny fiarovana ny ankizy sy ny fanajana ny zony hifaly, handeha any amin'ny sekoly, ary hanararaotra tanteraka ny fahazazany ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Na dia hita ho toy ny lasa «fanalàna», araka ny fitenin’ny tanora,

Card image cap
05-juin-2025

Kaominina miisa 7 ahitana an’Ambatomena, Ibity, Maneva, Ankaromalaza Mifanasoa, Vohitsaoka,

Card image cap
05-juin-2025

Nanatanteraka ny diaben'ny fahaleovantena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra rivo-baovao ny AXCEL COMPANY

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra tombony 18 miliara Ariary ho an’ny fanjakana Malagasy ny fananany

Card image cap
05-juin-2025

Tontosa omaly tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina na ny Tranoben’ny varotra sy indostria

Card image cap