Madagasikara na ny SMM ny fampiatoana ireo mpitsara 3 eo anivon'ny Fampanoavana ao amin'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly (PAC) Antananarivo. Izy ireo izay naato tamin'ny asany, fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny CSE (Comité de Suivi-Evaluation des pôles Anti-corruption) taorian'ny fitsirihana sy ny fandinihana nataon'ny Birao misahana ny fitsirihana ny Fitsarana (BCCJ), ary fakana ny hevitr’ireo Filohan’ny Fitsarana tampony. Nambara fa noho ny tsy fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny andraikitra, ny tsy fahatomombanana teo amin'ny fikarakarana antontan-draharaha ary ny tsy fanajana ireo adidy aman'andraikitra takian'ny asa ny antony fampitsaharana azy ireo. Nampikatso ny dosie mikasika kolikoly nataon’ny olona ambony teo aloha ? Andaniny, nilatsaka omaly 31 aogositra ny fanambaran'ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara na SMM tarihin'ny Filohany Atoa Mbitanarivo Andriatsihorisoa. Milaza ny SMM tao anatin’ny fanambarana nosoniavin’ny Sekretera Jeneraliny, Rabeavotra Mila Ilaina, fa ny fanajana ny ambaratogam-pitantanana dia tsy midika ho fankatoavana an-jambany, ary tsy tokony ho entina hanakanana ny fahaleovantenan’ny mpitsara amin’ny fanatanterahana ny asany. Milaza ny biraon’ny SMM, fa ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo mpitsara dia natsangana tamin’ny antony mazava, ka tsy azo heverina ho fihetsika manohitra ny toromarika ara-pitantanana. Tsy misy lalàna manery ny mpitsara hanodina ny fizotry ny raharaham-pitsarana raha tsy misy baiko ara-dalàna sy porofo mazava avy amin’ny lehiben’ny rafitra, hoy io fanambarana io. Nanamafy ihany koa ny SMM fa ny fanajana ny ambaratogam-pitantanana dia tsy tokony hitarika amin’ny fanerena ny mpitsara hanatanteraka toromarika am-bava tsy voarakitra an-tsoratra. Raha misy toromarika toy izany, hoy ny sendika, dia tokony hanana porofo mazava sy soritra ara-dalàna araka ny "Statut de la Magistrature", izay navoaka sy nanan-kery tamin’ny 8 Jolay 2026. Nanamafy araka izany ny SMM tamin'ny alalan'ny Filohany, Atoa Mbitanarivo Andriatsihorisoa fa mitsangana miaro ireo mpitsara telo vavy eo anivon’ny PAC, ka handray fepetra amin’ny alalan’ny fidirana an-tsehatra, na “requête en intervention volontaire”, ho fiarovana ireo mpitsara voakasika amin’ity raharaha ity, ary hanara-maso akaiky. « Rehefa misy baiko na toromarika tiana homena an'ireo mpitsara eo anivon'ny fampanoavana, dia mila hatao mazava an-tsoratra, fa ilay mpitsara "kely" foana no tratra farany », hoy i Mbitanarivo Andriantsihoarisoa.
TOHERIN’NY SMM NY CSE SY BCCJ…
Nanentana ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Lehiben’ny Fampanoavana ny SMM mba hanaja tanteraka ny sata sy ny lalàna mifehy ny toromarika omena ireo mpitsara. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana tsikaritra hatry ny ela ny somary fifandonan-kevitra teo amin'ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo sy ny Filohan'ny SMM Mbitanarivo Andriatsihorisoa, saingy mety tsy dia misy hidiran'ity raharaha fampiatoana mpitsara ity loatra, raha raisina amin’ny endrika ivelany. Mety misy antony ihany koa anefa matoa ny SMM nanonona manokana ny Minisitera. Ny CSE, BCCJ, ary ireo Filohan’ny Fitsarana tampony no nandinika sy nanapaka ka mijoro manohitra izany izany ny SMM ? Mafampana ity afera ity ka asa izay hiafarany ?
Toky R
Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety
10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina !