mandalo eny amin’ny 67 ha iny efa ho tapa-bolana izao. Tsy afaka mivarotra intsony mantsy izy ireo noho ny asa tsy maintsy hatao hanajariana ny sisin’ilay lakan-drano izay efa vita hatrany amin’ny 70 % hatreto ny sisiny. Voatery mijanona any an-trano na mitady zavatra hafa hatao mba hidiram-bola ny ankamaroan’ireo fianakaviana ireo vokatr’izany. Ampahany 6 km amin’ny 12 km no tsy maintsy harenina, tafiditra ao anatin’ny asa fanadiovana ity lakan-drano ity. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia mbola hitohy eny amin’ny 67 ha manakaiky ny CENAM ity asa fanajariana ny lakan-drano C3 ity hiarahana amin’ny tetikasa Produir sy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Fanahian’ireo mpivarotra voakasika mafy noho izany ny mety hisian’ny mpivarotra vaovao izay hisongona azy ireo aorian’ny fahavitan’ny asa. Tsy vitsy mantsy ny tranga tahaka izany efa niainan’izy ireo teto amintsika koa hampitandreman’izy ireo ny tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Nofefena tahaka izao ilay toerana fivarotan’ny mpivarotra !
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny