airtel

Actualités

04-févr-2026

Fanapariahana ny

fiarahan'ny mitovy fananahana na LGBT

Sample post image

Tsy ho avelanay hopotehanareo amin'ny fiainam-betaveta i Gasikara!"

04-févr-2026

Niparitaka ny fanambarana nataon'ny ORMS LGBT, mpikambana ao amin’ny Réseau Madagascar Solidarité LGBT izay raha lazaina amin'ny ankampobeny dia tambajotran'ireo vondron'olona mandala ny fiarahana sy fifanambadian'ny mitovy fananahana, manoloana ny fiparitahan’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe « MITAKY NY FANEKENA AZY REO NY LGBT » izay niely tamin’ny tambajotra sosialy, indrindra tamin’ny pejy Vovovo 24-7, DagoNews, ary tamin’ny alalan’ny mpanakanto KGR Thiera Kougar. Milaza ho mandà tanteraka ny fandraisana anjara amin’izany hetsika izany ary manameloka ny fampiasana sary sy marika famantarana tsy nahazoana alalana. Milaza fa manitsakitsaka ny zo manokana sy ny fiarovana ny angon-drakitra, voaaro amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona izay efa nankatoavin’i Madagasikara. Notondroina ho ao anatin’ny tontolo mbola ahitana fanavakavahana sy herisetra amin’ny olona LGBTQ+ ny fanehoana sary tsy nahazoana alalana dia mety hiteraka loza mivantana amin’ny fiarovana ara-batana, ara-tsaina ary ara-tsosialy, ka notakian'ireo ny fanesorana avy hatrany ireo sary sy votoaty rehetra mampiasa ny anarany na mampiseho olona tsy nahazo alalana. Milaza ity Fikambanana ity fa mijoro ho mpisolo vava amin’ny fitovian-jo sy fiarovana ny olona LGBTQ+. Nanao antso amin’ireo mpiaro zon’olombelona rehetra mba hanameloka ny amnaran'izy ireo fa fomba fanao manararaotra sy hanamafy ny fanairana manoloana ny herisetra sy fanavakavahana amin’ny olona LGBTQ+.

"TSY HAVELANAY HOPOTEHINAREO I GASIKARA!"
Nahitsy sy tsy nitsitsy fitenenana kosa i Kougar nilaza tao amin'ny tambajotran-tserasera hoe nilaza tamim-pahasahiana hoe:"Hitory ahy izany ry pelaka mianakavy! Ianareo no tia hamoaka sary eo. Firifiry moa ny sariko navokako tato ampiasain'olona rehetra na ny tia na ny tsy tia. Raha mbola Gasikara no Gasikara tsy ho avelanay ho potehanareo amin'ny fiainam-betaveta e! Alefaso fa vonona hiady mihitsy raha ilaina". Mbola nisy ihany koa aza ny antso nataon'i Kougar tamin'ny Fitondram-panjakana nanao hoe : "Ry fitondram-panjakana! Mandraisa fepetra fa sady fady ny razana! Raha mba manam-pinoana fady amin'ny tany sy ny lanitra ary ny Andriamanitra. Mangataka falalahana ahoana? Efa hodina tsy hita, efa maharikoriko mbola ho ankalazaina hiariary ihany koa!"

TSY EKEN'NY LALÀNA...
Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy fa tsy manan-kery ary tsy mbola misy lalàna mamela malalaka ara-panjakana sy ara-pinoana ny fifanambadian'ny olona mitovy fananahana eto, na mety misy aza izany any anaty fiarahamonina. Efa nisy na misy ny tetika sy dingana samihafa nandeha na mandeha entina hankatoavana izany, izay mety misy mihitsy ny volabe miodina hanapariahana an'io eto amintsika, saingy hatreto tsy misy ny fanalalahana ara-panjakana. Mpitantana orinasan-tserasera iray amin'ny vaovao an'habaka na "presse en ligne" ohatra no nilaza herinandro teo izay fa nisy fandraviravizana ny hamoahany vaovao mivoy sy manapariaka ny resaka fiarahan'ny mitovy fahalalahana fa nolaviny. Tsy resaka fankahalana na fanenjehana ny vondron'olona mandala sy mivoy an'io, fa mifanohitra tanteraka amin'ny kolontsaina sy soatoavina Malagasy io, ary mbola mifanohitra ihany koa amin'ny lafiny ara-pinoana. Ezahana voizina mafy ary tena misy fanohanana ara-bola avy amina Vondrona matanjaka mivoy sy manapariaka an'io avy any ivelany ka isan'ny kendrena ny Firenena tahaka antsika. Ekena ny resaka fahalalahana saingy mba misy ihany ny hoe mety sy tsy mety amin'ny Firenentsika. Misy ny Firenena indrindra ny Tandrefana izay mamela an'io ho mariky ny fahalalahana fa misy ihany koa ny manasokajy ny "mouvement international de LGBT" ho zava-doza, toy ny Filoha Rosianina Vladimir Poutine izay manasokajy azy ho tafiditra amin’ny asa fampihorohoroana. Ny Fitondram-panjakana atsy Burkina Faso mandrara tanteraka azy,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap