airtel

Actualités

18-avril-2024

Fanapariahana sary mamoafadin’ny sakaizany

Lehilahy 36 taona nidoboka any am-ponja

Sample post image

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

18-avril-2024

ny sary sy horonan-tsary mamoafadin'ny sakaizany teo aloha tamin'ny alalan'ny tambajotran-tserasera Facebook sy Messenger. Voasambotry ny polisy tao Maroantsetra tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo ny anaolahy ary niakatra fampanoavana omaly Alarobia 17 Aprily. Raha araka ny fantatra dia noho ny tsy fahazakana fisarahana no antony nanaparitahany ilay sary sy horonantsary mamofady rehefa nohadihadiana izy. Nidoboka am-ponja vonjimaika moa ny lehilahy ho famaizana azy. Tsiahivina fa maro ny lehilahy manana toe-tsaina tahaka izany ankehitriny. Rehefa nisaraka taminy ny vehivavy iray dia haparitany tahaka izao tranga tany Maroantsetra izao ny sary mamoafady nifanaovan’izy ireo na koa havoakany ny tsiambarantelony. Tena voararan’ny lalana anefa izany no sady tsy mahasoa ihany koa.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap