hatramin'ny nisian'ny opération jiro mora teto amintsika. Lany tapak'andro mantsy ny mpanjifa iray raha kely vokatry ny fisian'ny filaharambe izay tsy hifankahitana isan'andro. Manampy trotraka izany ny delestazy mitranga eny anelanelam-potoana ka hamerenana ny mpanjifa ho amin'ny rahampitso indray arahin'ny fizarana ticket kely. Raha araka ny fanadihadiana natao dia marobe amin'ny isan-tokantrano vokatr'izany no manakarama olona milahatra vao maraina amin'ny 05 Ora. Handoavana 5.000 Ar io olona io raha kely miampy fahana 500 Ar hiantsoany rehefa olona 5 na 2 sisa no eo alohany, indrindra fa ho an'ireo mbola maika hiasa. Mahatsiaro mijaly ny mpanjifa noho izany. Amin'ny ankapobeny tokoa mantsy dia tokony hisy ny fandaminana apetraky ny orinasa JIRAMA. Hatokana ireo mpandoa jiro tsotra ohatra. Hatokana toraka izany koa ireo tokantrano misitraka ilay jiro mora raha toraka izany koa ireo mpividy credit. Diso mifangaro voraka loatra mantsy ny fandraisana an-tanana ireo mpanjifa ka tokony jerena akaiky.
Pati
Légende : Tahaka izao ny filaharana hiainan'ny mpandoa jiro isan'andro !
Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga
Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.
Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,