misy ny Fiadidian’ny Repoblika Frantsay. Raha nivoy ny hisian’ny fanohanana amin’ny fananganana tohodrano hamokarana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina sy ny hahatongavan’i Emmanuel Macron eto Madagasikara ny Fanjakana Malagasy, dia toa zara raha nitsirika tamin’ny fampitam-baovaon’ny Frantsay ny resaka angovo, ary tsy ao anatiny mihitsy ilay hoe : Emmanuel Macron namaly ny fanasan’ny Filoha Malagasy mba hiatrika ny Fivoriamben’ny Vaomieran’ny COI ka hanao fitsidihana tsy ho ela eto Madagasikara afaka volana vitsy. Ireo anefa no tena novoizin’ny Fitondrana Rajoelina ! Satria ve mangotraka sy tsy misy vahaolana ny delestazy dia iny ny roritina mba hampitoniana vahoaka ? Fankasitrahana ny fahatongavany tany Paris amin'ny fotoana nanokafana ny Lalao Olympika sy Paralympika Paris 2024 no nanombohan’ny Frantsay azy. Naneho fankasitrahana ny Filoha ny amin'ny halehiben'ny fiaraha-miasa frantsay-malagasy, ny fifandraisana mafonja eo amin'ireo Diasporas roa tonta, ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra, ny fiaraha-miasa amin'ny sehatry ny fampandrosoana ary ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy ara-pampianarana eo amin'i Madagasikara sy Frantsa, hoy ny fampitam-baovaon’i Elysée. Nifanaraka ny roa tonta hanohy ny fanamafisana ity fiaraha-miasa ity amin'ny sehatra rehetra. Niresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena ho tanterahina, amin'ny famoronana foibe ho an'ny asan'ny fanjakana eny an-dranomasina, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa fitaterana vaovao, ary ny tetikasa momba ny angovo na banky. Niresaka ny krizy atrehin'ny Faritra Atsimo Malagasy, izay voan'ny hanoanana, sy ny vahaolana hanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo ao amin'io faritra io. Nilaza ny Filoha fa hanohy ny fanohanana ara-bola ho an'i Madagasikara i Frantsa amin'ny fiatrehana io krizy io. Farany, nankasitrahan'ny Filoha Frantsay ny fanendrena an'i Edgar Razafindravahy ho lefitry ny Komisionin’ny Ranomasina Indianina, ary nampatsiahy ny faniriany ny hanampy an'i Mayottes amin'ny hetsika ataon'io komisiona io. Tsy voaresaka ilay fitsidihana hataon’i Emmanuel Macron ka tsy ofisialy sy mbola mampisalasala ve ? Somary manaitra ilay resaka ranomasina hoe : tafiditra amin’io ve ny fifezana ireo Iles Eparses izay nodian-dRajoelina sy ny fitondrany hihodivirana na hanaovana mivoaka-miditra ? Sa mifandraika amin’ilay fikasana hanavao sy hamerina ilay toeram-pamaharan’ny tafika Frantsay any Antsiranana mifanohy amin’ny toeram-pitodihan’ny botry na ny « port aux boutres » fahiny ?
Toky R
Na dia hita ho toy ny lasa «fanalàna», araka ny fitenin’ny tanora,
Kaominina miisa 7 ahitana an’Ambatomena, Ibity, Maneva, Ankaromalaza Mifanasoa, Vohitsaoka,
Nanatanteraka ny diaben'ny fahaleovantena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny
Mitondra rivo-baovao ny AXCEL COMPANY
Mitondra tombony 18 miliara Ariary ho an’ny fanjakana Malagasy ny fananany
Tontosa omaly tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina na ny Tranoben’ny varotra sy indostria