Raha ny vaovao farany, nidoboka am-ponja ilay miaramila voarohirohy, rehefa nandeha ny fanairana samihafa nataona depiote iray voafidy tao amin’ny distrikan’Arivonimamo. Tsara ny manamarika fa mitondra vohoka efa-bolana ity zazavavikely ity ankehitriny noho ny fanolanana azy.Nosamborina tamin’ity herinandro ity io miaramila io, ary niakatra fampanoavana ny alarobia lasa teo ny raharaha. Nanapa-kevitra ny fampanoavana fa ampidirina am-ponja vonjimaika aloha ilay miaramila ahiana nahavita heloka. Hiverina eo anatrehan'ny fampanoavana kosa izy mandritra ny raharaham-pitsarana ny alakamisy 22 Aogositra 2024, raha ny vaovao ofisialy.
Nangonin’i Toky R
Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga
Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.
Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,
Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,