airtel

Actualités

15-mai-2024

Faratsiho

Efa mihodina ny milina fanamboarana « chips »

Sample post image

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

15-mai-2024

izany no nambaran’ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria (DGI ) Njiva Rakotoarivonona omaly Talata 14 May tany Faratsiho. Vita omaly tamim-pomba ofisialy tokoa mantsy ny fanombohan’ny famokarana chips avy amin’ny ovy ao amin’ny Taninketsa Indostrialy any an-toerana. Distrika 5 amin’ny 7 any amin’ny faritra Vakinankaratra no efa nametrahana milina fanodinam-bokatra ODOF (One District One Factory). Feno 3 izany izao ny orinasa efa mihodina raha mbola ao anatin’ny dingana tsy maintsy arahina mialoha ny fampandehanana ny milina ny hafa. “Raha tonga teto ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra, Edgard Razafindravahy, tamin’ny herintaona, dia nanome toky anareo fa ho apetraka ary tsy maintsy hihodina ny ODOF eto Faratsiho”, hoy ihany ny DGI raha nampahatsiahy ny dingana nolalovana ka nisafidianana ny Kaoperativa 3MVT hitantana ny Taninketsa Indostrialy ao Faratasiho. Miroborobo ny kaoperativan’ny mpamboly ovy any Faratsiho. Raha manodidina ny 20 ny kaoperativa ao Faratsiho dia misehatra manokana amin’ny fambolena ovy ny antsasak’izay. “Ianareo ireo no hiara-hiasa hifanome tanana amin’ny famatsiana ovy an’ity ozinina ity mba ho samy hisitraka ny tombon-tsoa amin’ny fisian’ny Tetik’asa ODOF avokoa ny tantsaha mpamokoatra, ny kaoperativa sy ny distrika iray manontolo, hoy ny DGI. Antenaina koa fa tsy ho ela dia hiparitaka manerana ny tsena eto an-toerana sy ny manodidina ny vokatra FARAT CHIPS”.
Pati
Legende : Tahaka izao ny FARAT CHIPS !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap