Tokony ho fety manan-danja izany ho an’ny sara-babem-bahoaka ary hanaovana sakafo miavaka amin’ny mahazatra saingy tsy izany no zava-nisy hita teny rehetra teny. Tsy nahalany ilan-kisoa iray amin’ny 40 kg akory mantsy ny mpivaro-kena iray. 10 kg raha nisy omaly no lafon’ny mpivarotra iray mitovy amin’ny andavanandro ihany. Teo amin’ny olona 7 isa teo hoy ny mpivarotra iray teny Andranonahoatra Itaosy teny ireo mba nividy hena 1 kg isanisany. Ny ankoatra izay dia an-tsasany sy fahefany avokoa no betsaka. Saika tany amin’ny taovany sy ireo hena tsy lany afak’omaly kosa ny ambiny no nifandrombaka. Nahitana taratra ny fahasahiranan’ny Malagasy avokoa izany izay mihamafy isan-taona. Tsy lazaina intsony ireo mbola tazana nikarama teny rehetra teny toy ny mpivarotra amoron-dalana, ny mpitarika posy, ny mpitondra taxi-bisikileta….Miaina amin’ny hohanina anio tadiavina anio avokoa ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Tsy maintsy hiatrika ny fiainana andavanandro indray mantsy manomboka anio Alarobia 27 Jona ka raha vantany vao banga indray andro ny fitadiavana dia efa mahandro fotsy ny iray trano. Tsy mety hitan’ny Fitondram-panjakana na modiany tsy fantatra izany fahasahiranam-bahoaka izany fa ny haitraitra no betsaka.
Pati
Legende : Maina ny tsenan’ny mpivaro-kena fa tsy toy ny fetin’ny 26 Jona isan-taona omaly !
Niakatra ny fanjifana tao anatin’ny 2 taona, miakatra 5% isan-taona ny filàna herinaratra,
Nisy fiakarany ny fampiasam-bola mivantana avy avy any ivelany (IDE) tamin’ny taona 2024,
Fety goavanambe no hotanterahina ao anatin'ny kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo
Am-pifaliana no ilazàna amintsika fa nanaiky ny fandaminana ny tsena eto Antehiroka
Mirongatra be amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe «Punaises de lit» na haom-pandriana,
May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.