nokarakarain’ny Indianapolis Zoo any Etazonia ny Pr. Lily-Arison René de Roland. Iray amin’ireo mari-boninahitra ambony indrindra maneran-tany amin’ny fiarovana ny biby sy ny natiora ity fankasitrahana ity. Izy ihany koa izany no tamin’izy 6 nifaninana no nahazo ny fankasitrahana 250 000 dolara. Nandritra ny 20 taona mahery, dia niady sy niaro ireo vorona mpiremby tandindomin-doza eto Madagasikara i Pr. René de Roland. Vokatr’izany ezaka izany, sarobidy tamin’ny fahaveloman’ireo karazana zava-manan’aina manokana efa saika lany tamingana. Nanana fomba fiasa miorina amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fiaraha-monina izy, ka tsy vitan’ny hoe niaro tontolo iainana fa nampandroso ihany koa ny mponina manodidina. Anisan’ny asa nanamarika azy ny nahitany karazana zava-manan’aina vaovao, nitarika ny fananganana faritra arovana nasionaly efatra, nanangana sy nikarakara teti-pampandrosoana ifotony hiarovana ny zava-boahary. Anisan’ny fikarohana nataony ny fahitana karazana gana tany amin’ireo toerana saro-dalana ny taona 2009 raha efa tsy fahita firy sy nahiana ho lany tamingana io karazam-borona io. Nahitana karazana ragidro vaovao ny taona 2022, karazam-biby mihira mbola tsy voarakitra anaty voka-pikarohana,... Nanofana tanora an-jatony 90 manana Master, 16 manana doctorat,... Nidera manokana sy nisaotra ny ezaka vitany ny Indianapolis Zoo ka nilazan’ny Filohany Dr. Rob Shumaker fa: “Nampihena ny fifandonana eo amin’ny olona sy ny biby ny ezaka nataony, ary nitahiry ireo « écosystème » tokana eto Madagasikara.” . Amin’ny maha faha-10 azy amin’ireo nahazo ny loka hatramin’izay, Pr. Lily-Arison René de Roland dia mampakatra avo ny voninahitry ny Malagasy, sy maneho amin’izao tontolo izao fa azo atao ny miara-miaina amin’ny natiora, amin’ny fomba maharitra sy mirindra. Nisaotra sy niarahaba manokana azy moa ny Minisitra Max Andonirina Fontaine sy ny fianakaviambe rehetra ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) noho ny asa nataony izay nambara fa mampirehareha an’i Madagasikara ary manome aingam-panahy ho an’ny mpahay siansa eran-tany.
Toky R
Na dia hita ho toy ny lasa «fanalàna», araka ny fitenin’ny tanora,
Kaominina miisa 7 ahitana an’Ambatomena, Ibity, Maneva, Ankaromalaza Mifanasoa, Vohitsaoka,
Nanatanteraka ny diaben'ny fahaleovantena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny
Mitondra rivo-baovao ny AXCEL COMPANY
Mitondra tombony 18 miliara Ariary ho an’ny fanjakana Malagasy ny fananany
Tontosa omaly tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina na ny Tranoben’ny varotra sy indostria