airtel

Actualités

26-août-2024

FIAROVANA NY ZAVA-MANAN’AINA

« Mbola goragora ny fampiharana ny lalana eto amintsika »

Sample post image

Hentitra ny Filohan’ny GERP na ny Groupe d'Etude et de Recherche sur les Primates de Madagascar

26-août-2024

ny profesora Ratsimbazafy Jonah manoloana ny fampiharana ny lalana eto amintsika amin’ny fiarovana ireo zava-manan’aina mampiavaka an’i Madagasikara. Goragora loatra izany raha ny fanazavany. Laniana hatrany ny lalana hoy izy nefa tsy misy akory ny fampiharana azy ary tsy mbola nisy ny ohatra tsara nentina nanehoana ny fampiharana izany teto amintsika. Ny 95%-n’ny varika eto Madagasikara no efa saika lany tamingana raha tsy teo ny GERP raha araka ny fanazavan’ny Profesora Jonah Ratsimbazafy hatrany. Hetahetan’ity Filohan’ny GERP ity araka izany ny tokony hanovana ny politika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika hahafahana miaro ireo zava-manan’aina sy zava-boahary mampiavaka an’i Madagasikara arahin’ny fampiharana ny lalana tsy hijerena tavan’olona. Hatreto mantsy hoy izy dia ireo madinika hatrany no midoboka am-ponja fa ireo vehivavy tena ati-doha tsy mbola misy mety tratra mihitsy. Mankalaza ny faha-30 taona nijoroany ny GERP. Fampirantiana teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza no nisantarany izany ny faran’ny herinandro teo.
Pati
Legende : Ny Profesora Jonah Ratsimbazafy, Filoha mpanorina ny GERP nandritra ny fanokafana ny hetsika !
 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga

Card image cap
23-juin-2025

Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha

Card image cap
23-juin-2025

Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.

Card image cap
23-juin-2025

Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,

Card image cap
23-juin-2025

Tsy tokony ho gaga isika raha mahantra ny firenena»

Card image cap
23-juin-2025

Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,

Card image cap