airtel

Actualités

12-oct-2026

Fiatrehana

ny mety ho loza indostrialy

Sample post image

Navaozina ny fiaraha-miasan’Ambatovy sy ny BNGRC

12-oct-2026

Nohamafisina sy nohavaozina tamin’ny fomba ofisialy omaly 09 oktobra 2026 ny fiaraha-miasan’ny orinasa Ambatovy sy ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC). Nanasonia ny fanavaozam-piaraha-miasa ny talen’ny External Affairs & Security ao amin’ny Ambatovy, Serge Andrianaveloravelo, sy ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Générale de Division Gabriel Ramanantsoa.
Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika sy fitantanana ireo loza mety hitranga eny amin’ny sehatry ny indostria. Mariky ny finiavana iombonana eo amin’ny roa tonta io mba hanatsarana hatrany ny fepetra fiarovana sy ny fiatrehana ny loza amin’ireo faritra mampiantrano ny tetikasan’Ambatovy. Hifantoka amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny komity prefktorialy ao Toamasina sy Moramanga, amin’ny fiofanana sy fitantanana ny hamehana sy ny loza. Anisan’ny vokatra azo tamin’izany ny fanohanana ny fanavaozana ny Drafitra Manokana ho an’ny Vonjitaitra (PPI) ao amin’ny Distrikan’i Moramanga sy ny Prefektioran’i Toamasina. Ireo drafitra ireo dia natao hanatsarana ny fahavononan’ny tomponandraikitra sy ny mponina amin’ny fiatrehana loza mety hitranga. Nampahafantarina nandritra ny fihaonana ihany koa fa nahazo fanohanana avy amin’ny Ambatovy sy ny BNGRC ireo komity misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eny anivon’ny vondrom-piarahamonina. Tafiditra amin’izany ny CDGRC (Comité District de Gestion des Risques et des Catastrophes) ao Moramanga sy ny CPGRC (Comité Préfectoral de Gestion des Risques et des Catastrophes) ao Toamasina. Ho an’ny Ambatovy, mifandray amin’ny politikany momba ny fahasalamana sy ny fiarovana ary ny andraikitra ara-tsosialy ny fanohizana izao fiaraha-miasa izao. Ho an’ny BNGRC kosa dia manampy amin’ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana sy mandrindra ny fiatrehana ireo loza mety hitranga eny anivon’ny fiarahamonina sy ny sehatra indostrialy. Efa hatrany amin’ny fiandohan’ny asa fandraharahana sy famokarana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Nisy ny fifanarahana voalohany tany amin’ny taona 2013, nohavaozina ny 2022, ary nohamafisina satria nifarana ny 22 aprily teo ny fifanarahana faharoa, ary izao navaozina fanintelony izao.
Toky R

 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

navadika ho lasantsy

Card image cap
09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap
09-oct-2026

Mpisehatra matihanina maherin’ny

Card image cap