airtel

Actualités

05-mai-2025

Fihemoran’ny fahalalahan’ny

fanaovan-gazety malagasy

Sample post image

Miezaka manamarin-tena hatrany ny fitondràna

05-mai-2025

Toy ny matetika fahita tao anatin’izao fitondràna izao isan-taona, rehefa tonga ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahana manao gazety na ny datin’ny 3 may dia nanisy setriny indray ny tombana nataon’ny rafitra iraisampirenena RSF na Reporter sans frontière mikasika ny toeran’i Madagasikara eo anivon’izay fahalalahan’ny fanaovan-gazety izay ny fitondràm-panjakàna, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Tsiahivina fa very toerana miisa 13 indray isika tamin’ity taona ity, izany hoe lasa faha 113 raha faha 100 ny taona 2024, hoy ny RSF ny 2 may 2025. Isan’ny fanazavàna nentin’ity minisitera ity ho antony mety nahatonga ny RSF nanala ireo toerana miisa 13 ireo tamintsika moa ny fisian’ny fahasahiranana hita maneran-tany mihitsy eo amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety. Miezaka manamarin-tena hatrany ny fitondràna ary mampahatsiahy fa manao ho zava-dehibe hatrany ny atao hoe fahalalahana maneho hevitra, indrindra, ny fanaovan-gazety tao anatin’ny fanambaràna izay naparitany iny sabotsy 3 may iny. Ireo mpanao gazety hita ho nihoa-pefy na nanao hetsika voararan’ny lalàna ivelan’ny maha mpanao gazety azy, hoy ny fanazavàna, no matetika voasaringotra ara-pitsaràna na miditra am-ponja mihitsy. Tsiahivina fa nitotongana very hatramin’ny toerana miisa 40 mahery isika teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2021, tamin’ny fotoana nandalovan’ny valanaretina COVID 19 teto rehefa napetraky ny minisitry ny serasera, Lalatiana Rakotondrazafy, tamin’izany fotoana izany ho an’ireo haino vaky jery rehetra manerana ny nosy ny fanerena hilaza vaovao mitovy na tokan-jotra na ilay nantsoina hoe «réquisition d’office». Naneho ny tsy fankasitrahany ity fandaharana ity ihany koa io minisitra io tamin’izany fotoana izany ary nilaza fa tsy mbola nanagadra mpanao gazety manao ny asany. Firifiry anefa taorian’izay sy tao anatin’izay ireo mpanao gazety sy mpaneho hevitra nigadra na koa hoe voatohitohina ny fahalalahan’izy ireo hanao izany? Vao ny faraparan’ny taona 2024 teo fotsiny no nisy izany hoe mpanao gazety nefa nosakanana tsy hiditra ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza izany nefa fivoriana tokony hisokatra amin’ny fanatrehan’ny olompirenena tsy an-kanavaka. Raha atotaly izany ny tato anatin’ny 4 taona farany dia efa 56 isa eo izay toerana very teo amin’ny fampilaharan’ny RSF izay, raha ny fanaovan-gazety eto Madagasikara no resahina. Hitan’ireo mpanara-baovao ho nandroso nihemotra moa ny minisitera raha namoaka ity fanambarana ity teny anivon’ny tambazotran-tserasera ny sabotsy teo. Teo ny fahadisoana tamin’ny lafiny fitsipika sy tsipelina, izay nampanjavozavo ny tena votoatin’izany fanambaràna izany ihany koa. Nisy fotoana nahitsy izany dia naverina navoaka indray. Nisy fotoana tsy hita tampoka tao amin’ny pejin’ity minisitera ity ihany koa. Voatery tsy maintsy nanisy setriny iny tombana iny ve sa ny fanatsaràna marina ilay tontolon’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara no tokony imasoana?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juin-2025

Miha zava-doza hatrany ny delestazy, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana.

Card image cap
24-juin-2025

Nitsotra indray ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) manoloana ny

Card image cap
24-juin-2025

Ankoatr’ireo lasan’ny Sinoa, dia mbola nisy ambikambiny toa notaterina heverina fa

Card image cap
24-juin-2025

Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra fitsarana anio talata 24 jnona i ny mpanao gazety Fernand Cello

Card image cap
24-juin-2025

Mitohy ny antsojay mahazo ireo mponina eny Imerintsiatosika,

Card image cap
24-juin-2025

Ho fanamafisana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany mandritra ny ny fankalazana

Card image cap