airtel

Actualités

22-sept-2026

Fikaonandoham-pirenena

Miantso ny fiangonana

Sample post image

rehetra ao aminy ny FFKM

22-sept-2026

Namoaka antso ofisialy ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM), miantso ny fiangonana rehetra miombona ao aminy mba handray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena ho fanomanana ny Dinika ho Fanavaozana an’i Madagasikara. Navoitra fa natao ho mariky ny fiombonan-kery ara-panahy sy ara-tsosialy ho amin’ny fanorenana firenena mirindra sy mandroso io. Ao anatin’ny fiomanana amin’ny Dinika ho Fanavaozana, manasa ny fiangonana handefa ireo zanaky ny fiangonana vonona handray anjara amin’ny asa fanavaozana ny FFKM, amin’ny alalan’ny fanaterana anarana sy CV ho fanombanana, mialoha ny 23 Septambra 2026. Ireo mpandray anjara dia ahitana mpitantan-draharaha, mpanampy amin’ny dinika, ary mpitarika amin’ny fanatanterahana ny Dinika ho Fanavaozana.”Manentana ny fiangonana ny FFKM mba hanolo-tena ho amin’ny fanompoana sy ny fandraisana andraikitra amin’ny fanorenana firenena mamintsika", hoy ny antso. Hisy ny fiofanana ho an’ireo voafantina handray anjara amin’ny dinika, izay hanampy amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahavononana amin’ny asa fanavaozana. Niaraka nanasonia io antso io ireo Filohan’ny Fiangonana efatra mirahalahy, tarihin'ny Filohan'ny FFKM sady Filohan'ny EEM Mgr RANARIVELO Samoela Jaona, ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina Filohan’ny FJKM; Pastora Dr RAKOTOZAFY Denis, Filohan’ny FLM; Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Filohan-piangonana solontenan’ny EKAR. Ity antso ity dia manamarika dingana lehibe amin’ny fanohizana ny fifampiresahana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana kristianina sy ny fanjakana, ho fanorenana fandriampahalemana sy fanavaozana maharitra eto Madagasikara. Manantena ny FFKM fa ho tonga marobe ireo fiangonana sy mpino hanatevin-daharana ny dinika, ho mariky ny fiombonana sy ny fitiavana kristianina amin’ny fanorenana firenena. Ny herinandro lasa teo moa nilaza ny Minisitra misahana ny fanavaozana Rtoa Hanitra Razafimanantsoa fa efa ao anatin'ny fanatanterahana ny tetiandro amin'ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM. Navoitra fa miroso amin’izao fotoana ireo dingana hiarahan’ny komity teknika sy ny FFKM amin’ny fanatanterahana ny dingan’ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Miisa enina ireo asa nankinina tamin’ny minisiteran’ny fanavaozana ankehitriny ka isan’izany ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena sy ny fanomanana ireo ekipa teknika ary ny fanavaozana ny fitantanana ny fifidianana hoy ny minisitra. Any amin’ny fikaondoham-pirenena vao afaka manova isika saingy miara miasa amin’ny CENI amin’ny fanatanterahana ireo fanavaozana efa misy, hoy kosa io Minisitra io mikasika ny rafitra mpikarakara fifidianana. Miisa 48 ireo antotan-kevitra efa voavolavolan’ny minisiteran’ny fanavaozana amin’izao fotoana ka afaka hampiasain’ny FFKM, raha ny fanazavana nandritra ny atrikasa fifanakalozan-kevitra stratejika nataon’ny minisiteran’ny fanavaozana, izay nampivondrona ireo talen'ny Kabinetra sy sekretera jeneralin'ireo minisitera samihafa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

fanadihadiana parlemantera ny ACM ‎

Card image cap
22-sept-2026

Iles Eparses, hitad mpiara-miombon’antoka

Card image cap
22-sept-2026

Handoavana 15000Ar isaky ny fiara tsy misy entana

Card image cap
22-sept-2026

7 lahy voasambotra sy nidoboka am-ponja

Card image cap