airtel

Actualités

06-mai-2025

Fiovaovan’ny vidin-tsolika

Niakatra indray ny eto, mitotongana ny iraisam-pirenena

Sample post image

190 Ariary isaky ny litatra ho an’ny supercarburant na ny lasantsy, 200 Ariary ho an’ny gazoala,

06-mai-2025

ary 200 Ariary ihany koa ho an’ny solika fandrehitra. Noho izany, ny supercarburant, izay 5 320 Ariary ny litatra hatramin’ny alahady alina, dia lasa 5 510 Ariary nanomboka ny alatsinainy, midika fiakarana 3,6%. Ny gazoala kosa niakatra avy amin’ny 4 970 Ariary ho 5 170 Ariary isaky ny litatra, fiakarana 4%. Ny solika fandrehitra, izay 3 030 Ariary, dia lasa 3 230 Ariary isaky ny litatra. Miainga amin’ny fomba fikajy mandeha ho azy, dia efa milaza sahady ny manampahefana fa hisy fidinany vidin-tsolika amin’ny volana jona sy jolay, noho ny fidinana eo amin’ny vidin’ny solika (brut) iraisam-pirenena tamin’ny volana aprily izay nitohy hatramin’ity volana mey ity. Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tamin’ny alahady fa hisy fidinana 70 Ariary isaky ny litatra ho an’ny gazoala amin’ny volana jona, ary fidinana fanampiny 200 Ariary amin’ny volana jolay. Miakatra 200Ar izany dia ampidinina 70 Ar aloha, izay vao hiampy fidinana 200Ar. Ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Olivier Jean-Baptiste moa efa naneho nialoha, fa efa azo neritreretina mialoha ny fiakaran’ny vidin-tsolika eny amin’ny toby fivarotana, raha jerena ny vidin’ny solika iraisam-pirenena tamin’ny roa volana lasa. "Ny vidin’ny solika amin’ny volana M-2 (roa volana mialoha) no fototra iavian’ny kajy amin’ny vidiny ampiharina amin’ny volana M", raha ny fanazavany. Nampiany fa ny fepetra nisy tamin’ny volana martsa no efa nampiseho sahady fa hiakatra ny vidin-tsolika amin’ity volana mey ity. Hatramin’ny nanombohana ny rafitra fanitsiana ho azy ny vidin-tsolika tamin’ny volana janoary, dia efa nisy fanitsiana in-dimy natao. Raha nisy fiakarana sy fidinana nifandimby ho an’ny lasantsy sy ny gazoala, dia tafakatra 800Ar ny fiakaran’ny solika fandrehitra tao anatin’ny 4 volana nanomboka ny janoary, izay 2 430 Ariary no niaingany ary efa 3 230 Ariary amin’izao fotoana.
MITOTONGANA NY VIDINY IRAISAM-PIRENENA
Andaniny, tsy mitsaha-midina ny vidiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ankehitriny. Nihoatra ny 3% ny fidinana nanomboka omaly 5 mey noho ny fanambarana nataon’ny OPEP+ fa hampitomboana haingana ny famokarana amin’ny volana jona, na dia efa ambany be aza ny vidiny amin’izao fotoana izao. Firenena valo ao anatin’ny OPEP+, anisan’izany i Arabie Saoudite sy i Rosia, no hanohy hamokatra 411 000 barila isan’andro toy ny tamin’ny volana mey araka ny fanambarana ofisialy, na dia efa niomana hanampy 137 000 barila monja izy ireo teo aloha araka ny drafitra voalohany. Nandritra ny fifanakalozana omaly maraina tany Azia, dia nidina 3,8% ny vidin’ny solika WTI Amerikanina ka lasa 56,08 dolara isaky ny barila, raha nidina 3,5% kosa ny Brent avy any amin’ny ranomasina Avaratr’i Atlantika ka tonga amin’ny 59,17 dolara. Herinandro nialoha io, ny 28 aprily, mbola tany amin’ny 62,05 dolara ny vidin’ny barila. Asa mba tena hisy fiantraikany azo tsapain-tanana aty Madagasikara ve ny fitotonganan’ny vidin’ny solika ankehitriny sa holalaovina amin’ny fiakarana 200Ar sy fidinany 70Ar ?
Toky R 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Na dia hita ho toy ny lasa «fanalàna», araka ny fitenin’ny tanora,

Card image cap
05-juin-2025

Kaominina miisa 7 ahitana an’Ambatomena, Ibity, Maneva, Ankaromalaza Mifanasoa, Vohitsaoka,

Card image cap
05-juin-2025

Nanatanteraka ny diaben'ny fahaleovantena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra rivo-baovao ny AXCEL COMPANY

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra tombony 18 miliara Ariary ho an’ny fanjakana Malagasy ny fananany

Card image cap
05-juin-2025

Tontosa omaly tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina na ny Tranoben’ny varotra sy indostria

Card image cap