airtel

Actualités

17-déc-2024

Fisorohana ny gaboraraka

Mila ianarana , fehezina ary ampiharina ny « code de travail »

Sample post image

Tsy mora ny mikarakara olombelona satria samy manana ny toe-tsainy ny olona rehetra

17-déc-2024

Tsy mora ny mikarakara olombelona satria samy manana ny toe-tsainy ny olona rehetra. Ary ny tena sarotra amin’ny fitantanana mpiasa dia ny "Gestion de conflit" satria rehefa misy ady dia misy hery mifanohitra ao, ka zay no mafy sy sarotra amin’ny asan'ny DRH (Directeur des Ressources Humaines) na ny tale misahana ny maha-olona. Ka tsy maintsy ilàna fianarana sy fahaizana. Izay no antom-pisian'ny CFRH-Insitute dia ny fampianarana ny Code de travail na ny Lalàna mifehy ny asa satria isan'ny mahatonga ny olana eny anivon' ny orinasa ny tsy fahampian'ny fahalalan'ny olona momba ny fitsipika mifehy ny asa. Matetika mantsy ny olombelona rehefa fehezina dia lasa mankahala ny tompon'andraikitry ny RH (Ressources Humaines) kanefa tsy maintsy hajaina ny fitsipika mba tsy hisian' ny gaboraraka ao am-piasana. Fa raha tsy izany dia izay te-hiditra amin’ny 8ora maraina miditra amin’ny 8, izay te-hiditra amin’ny 12ora atoandro miditra amin’ny 12 dia izay dia efa tsy mety hoy Ramatoa Olivia Rakotonarivo Rakotoarisoa Filoha mpanorina ny CFRH-Institute tamin’ity 2004. Feno 20 taona ankehitriny ny CFRH - Institute ka teny amin’ny CCI Ivato no nanamarihana izany tamin’ny famoahana ny andiany Iratra. Legende : Rtoa Olivia Rakotonarivo Rakotoarisoa Filoha mpanorina ny CFRH-Institute.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

04-juil-2025

Ny 15 aprily 2025 teo no voalaza fa efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny

Card image cap
04-juil-2025

Manana akora fototra maro isan-karazany i Madagasikara, ary manana tany

Card image cap
04-juil-2025

Namoaka vokatra vaovao ny orinasam-pifandraisana Airtel hiarovana ny mpanjifa amin'ireo

Card image cap
04-juil-2025

Zatovovavy kely iray vao 17 taona monja monina eny Sabotsy Namehana

Card image cap
04-juil-2025

Olona 7 mianaka indray no fantatra fa tratran'ny fanapoizinana ara-tsakafo

Card image cap
04-juil-2025

Teratany vahiny iray monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina ny mponina

Card image cap