ho alain’ny fanjakàna foibe ny fitantanana ny hetran-tany sy hetran-trano na IFPB. Efa manahirana, hoy ny ben’ny tanànan’Alasora, Jimmy Randriantsoa, ny mitaky an’io amin’ny olona eny ifotony. Ho anay eny Alasora izao, hoy izy, dia ireo olona manan-draharaha eny amin’ny kaominina no ampahatsiahivina foana mikasika an’io IFPB sy IFT na «Impôt foncier sur les terrains» io hoe aloavy ny hetranareo! Tsy mihoatran’ny 50% ny fampidiran-ketra isan-taona, raha mijery isika. Iny no mba vola mivantana mankao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina ahafahany tonga dia mihetsika. Raha mbola handeha mankany amin’ny fanjakàna izany izao io dia mankany amin’ny ivon-ketra ilay olona mandoa azy dia izay izany vao mankany amin’ny tahirim-bolam-panjakàna. Izay ny tahirim-bolam-panjakàna vao mandrotsaka azy anaty kitapom-bolan’ny kaominina. Mbola hiodina be izany ilay vola vao ho tonga eny amin’ny kaominina ary hisy fiantraikany amin’ny fahataran’ny fampandrosoana eny amin’ny kaominina izany. Aoka re mba ho ny kaominina ihany no handray ireo hetra efa natokana ho azy sy hanatsara ny fampidiran-ketrany satria na ny hetra hafa ankoatran’ireo aza efa manahirana vao tonga ao anaty kitapom-bolan’ny kaominina. Ny IFPB sy IFT no hetra maharitra ho an’ny kaominina ka tokony hamoraina aza ny fitantanana azy, hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity. Ezahana kosa ny hijery akaiky hoe hatraiza ny fampiharan’ny fitondràm-panjakàna ilay didy vaovao napetraka mikasika ny fitantanana ny hetra eny anivon’ireo kaominina, hoy ny ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy, Nirina Ramiadamahefa; izay niaiky fa efa namantana kitapom-bola tsy feno sahady raha nandray voalohany ny fitantanana izany kaominina izany. Mikasika ny kaominin’Antananarivo, izay renivohitr’i Madagasikara kosa ao anatin’izany rehetra izany, dia nilaza ho nanefa fotoam-piasana niabo ny filohan’ny delegasionina manokana na PDS farany, Alexandre Georget, na dia tao anatin’izay 2 volana izay monja aza. Ny vahaolana mikasika ireo faritra mora tondraka eto Antananarivo toy ny eny Besarety sy Andravoahangy moa dia nilaza izy fa tsy vita amam-bolana izany fa mila miandry ben’ny tanàna vaovao mihitsy noho ny fisian’ireo fanorenana tsy ara-dalàna maro eny amin’ireny toerana ireny. Niaiky ho niasa tanatina tetibola tsy ampy ihany koa tetsy ankilan’izay ny tenany. Fanontaniana mipetraka ankehitriny ny hoe hanao ahoana izany no endriky ny fitantanana ity kaominin’Antananarivo renivohitra ity manomboka eto miaraka amin’ny ben’ny tanàna vaovao, Harilala Ramanantsoa? Eo ny olana iraisan’ny kaominina rehetra manerana ny nosy mikasika ny hetra voalaza teo. Hovatsian’ny fitondràm-panjakàna manokana ve ny kaominin’Antananarivo renivohitra? Ny heverina fa tsy azo lavina aloha dia na hanome aina ny fitondràna ankehitriny na handemy azy hatrany izay mety ho endriky ny fitantànana an’Antananarivo eo amin’ny maha renivohitry ny nosy sy fonenan’ny solontenan’ny faritra miisa 23 azy.
Nangonin’i J. Mirija
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.