grenady tao anaty bozaka
Zalahy miisa roa, 14 taona sy 16 taona no namoy ny ainy nipoahan'ny grenady tao amin'ny kaominina Marofoty, distrikan'i Toliara II omaly alarobia 26 aogositra. Voalaza fa nilalao sy nitifitra vorona ireto ankizy ireto, ka tamin'izay no nahitan'izy ireo ilay "grenade" tao anaty ahitra tsy lavitra ny tanàna. Heverin'ireo ankizy ho kilalao ilay izy ka nifandrombahan'izy ireo, ka nipoaka avy hatrany. Maty teo noho eo ny iray tamin’izy ireo noho ny herin’ny fipoahana. Ilay namany kosa mbola afaka niala kely teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza, saingy tsy tonga lavitra dia namoy ny ainy ihany koa, araka ny tatitra. Efa tonga tao an-toerana ny mpitandro ny filaminana, nijery ny zava-misy, saingy tsy mbola nahazahoana fanazavana ofisialy mahakasika ilay grenady nitera-doza. Andrasana araka izany ny valin'ny fanadihadiana sy fanazavana ofisialy avy aminy tomponandraikitra. Omaly alarobia hariva ihany, dia tonga nitsapa alahelo, nitondra fao-dranomaso ireo fianakaviana mana manjo ny avy ao amin'ny Fiadidian'ny Faritra Atsimo Andrefana,tarihin'ny Lehiben'ny Faritra Général de Division Miandrisoa Olivier, nisolo tena ny fitondram-panjakana tarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana Kolonely RANDRIANIRINA Michael, hoy ny fampitam-baovao. Andrasana kosa na izany aza ny tohiny hoe : avy aiza sy nahoana no any anaty bozaka anaty tanànan’olona no misy fitaovam-piadiana mahery vaika hita ? Tamin’ny fomba ahoana no nahatongavany teo ? Potraka tao anaty fifandonana noho ny resaka ady amin’ny tsy fandriampahalemana ve ohatra sa very noho ny tsy fitandremana ny fitaovam-piadiana izay tsy fitazon’ny sivily ?
Toky R