airtel

Actualités

01-sept-2026

Fitrandrahana

an-tsokosoko ny Ala Mikea

Sample post image

Lehilahy iray mpamerin-keloka

01-sept-2026

voasambotra, nogiazana ny fiarany
Kamiao lehibe iray no tra-tehaka nitatitra an-tsokosoko "bois ronds" avy ao amin’ny valanjavaboary Mikea, ary natoby tao Ankilimalinika, izay toerana nakan’ity fiara lehibe ity azy ny alin’ny 28 aogositra. Vokatry ny fampitam-baovao avy amin’ny Vondron'olona ifotony (VOI) ao amin’ny valanjavaboary Mikea ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, dia tra-tehaka ny 29 aogositra tamin’ny 1 ora maraina tao Ambotsibotsika - Mangily ity fiara ity niaraka tamin’ireo hazo nentiny ireo. Nisy olona 4 niaraka tamin’ilay fiara tamin'io dia ny tompony sady mpamily sy olona 3 mpanampy azy. Tafaporitsaka anefa ireo olona 3 ireo fa ilay tompon’ny fiara no voasambotra ka nentina natao fanadihadiana tany Toliara. Olona efa mpamerin-keloka ity olona voasambotra ity. Efa voarohirohy tamina raharaha fitrandrahana an-tsokosoko vokatry ny ala tany Ankililoaka – Faritra Atsimo Andrefana teo aloha. Nogiazana moa ilay kamiao sy ireo hazo tsy ara-dalàna nentiny ireo. Hatolotra ny Fitsarana ilay mpamerin-keloka, mitohy kosa ny fikarohana ireo namany.
Jean D.
Ireo "bois ronds" tratra avy ao amin'ny ala Mikea sy ilay kamiao nitaterana azy
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety

Card image cap
02-sept-2026

10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina !

Card image cap
02-sept-2026

an'i Madagasikara amin'ny bisikileta

Card image cap