Ampy izay ny fanetananana sy famapahatsiahivana efa an-taona maro, ka tsy azo ekena intsony ny fandikan-dalàna amin’ny endriny maro ato anatin’ny Kaominina Antananarivo, raha ny fanambarana nataon’ny CUA. Hihatra manomboka amin’ny 4 septambra ny fanatanterahana hentitra ny fitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana na ny CMH (Code Municipale d’Hygiène) ato amin’ny Fari-piadidian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Voakasika amin’izany ny sehatra maro eo amin’ny fiainam-piarahamonina: ny firafitry ny trano izay tsy maintsy voakarakara sy voaloko, ny fikorianan’ny rano eny amin’ny tafo, ary ny fanariana rano amin’ny lalandriaka tsy ara-dalàna. Tafiditra koa ny tsy fandraisana fepetra amin’ireo trano mety hiteraka loza. Ankoatra izany, voarara ny fanelingelenana eny an-dàlana toy ny fanahazana lamba, ny asa ataon’ny orinasa, karaoke, ary ny lanonana tsy manaja ny fahazoan-dàlana. Ny tsena dia takiana hitandro fahadiovana sy hanaja fitsipika, ka tsy azo atao intsony ny mivarotra eny amoron-dalana. Tafiditra ihany koa mazava ho azy ny tsy fanajana ny fahadiovana sy ny fandotoana samihafa, toy ny fanaovana maloto an-kalamanjana. Voakasika ihany koa ny mpangataka mampiasa zaza tsy ampy taona na ireo mandrahona olona angatahina. Sazy manomboka amin’ny 5 000Ar no miandry. Raha ny fandikan-dalàna lehibe kosa dia mety hiteraka lamandy manomboka amin’ny 50 000 ariary ka hatramin’ny 5 000 000 ariary. Raha raisina amin’io manomboka 5000 hatramin’ny 5000 000Ariary izany ny sazy eo anatrehan’ny tsy fanajana ireo fepetra sy lalàna samihafa. Ny Brigade mixte, izay ahitana ny polisy monisipaly sy ny sampan-draharaha misahana ny rano sy ny fidiovana, no hanara-maso sy hampihatra mivantana ireo sazy. Inoana fa hitondra fivoarana eto anivon’ny Kaominina izay mikorontana sy miaina anaty loto samihafa ny fampiharana ny fepetra vaovao. Izao izany ilay hoe rehefa tsy mandoto dia naman’ny manadio, ary tsy tokony atao andrimaso amin’ny alalan’ny sazy vao hitandro ny fahasalamana sy fahadiovana ny rehetra. Mitaky asa sy fepetra mifanaraka amin’ilay lalàna na « mesure d’accompagnement » ihany koa anefa, toy ny fametrahana ireo fotodrafitrasa ilainan’ny vahoaka toy ny toeram-pivoahana, ny fitobian’ny fiara, fanariam-pako sy fakana ny fako araka ny tokony ho izy, fanajariana ireo lakandrano,…
Toky R
Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety
10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina !