an’i Madagasikara nandritra ny taona 2023, raha ny tatitra avy navoakan’ny Minisiteran’ny fizatantany sy ny asa tànana. Nisy fiakarany 97% io mitaha ny tamin’ny taona 2022, raha ny tatitra. Ho an’ny volana desambra 2023 teo, nahatratra 30 718 ny isan’ny mpizahantany iraisam-pirenena tonga teto, raha toa ka 25 319 ny desambra 2019 izay namiratana teo amin’ny fizahantany, saingy voasongona. Na izany aza, raha ny antontan’isa amin’ny ankampobeny, dia voalaza fa latsaka -15% eo mitaha ny tamin’ny 2019 ny 2023. Voalaza ihany koa fa dia tsy nisy fiovana firy ireo firenena 10 voalohany manana olona betsaka tonga mitsidika an’i Madagasikara, fa i Repoblikan’i Tchèque kosa no niala, ary naka ny toerany i Chine. Efa zava-dehibe ny fivoarana mitaha ny tany amin’ny vanim-potoanan’ny coronavirus, saingy raisina ho fanoharana foana ity hoe : i Nosy Maurice izay tena bitika mitaha antsika dia mahatratra 3 tapitrisa isan-taona ny mpizahatany tonga ao aminy, raha toa ka mbola ambanin’ny 3 hetsy ny antsika, izany hoe : latsaky ny 10% amin’ny azy. Raha resaka toerana manintona sy mahaliana anefa, dia manana betsaka lavitra isika, saingy maro ny olana : fotodrafitrasa, làlana, fandriampahalemana,… Amin’ny lafiny ara-toekarena, nampiditra 534 tapitrisa dolara teo ny fizahantany ny taona 2023, ka ho an’ny Maorisianina izay tsy lavitra antsika izany dia mety mampiditra avo folo heny amin’io izany hoe : maherin’ny 5 miliara dolara.
Toky R
Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga
Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.
Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,
Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,