airtel

Actualités

12-août-2024

Fokontany Ambohimasina, Alakamisy Fenoarivo

Novalian’ny TIM ny fangatahana lakana nataon’ny tantsaha

Sample post image

Ny Fokontany Ambohimasina indray no nisitraka ny asa sosialin’ny Antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM

12-août-2024

ao Alakamisy Fenoarivo, taorian’ireo hafa izay nisian’ny lalao ara-panatanjahantena, nisitraka jiro,... Natolotra ofisialy ny vahoaka tao an-toerana ny lakana lehibe iray nangatahan’ny tantsaha, hampiasaina ho fiampitana amin’ny reniranon’Andromba, izay tena mampijaly, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra. « Ny 90% amin’ny mponina eto amin’ity Fokontany ity dia tantsaha avokoa, mampiasa io reniranon’Andromba io, ka sahirana izy ireo amin’ny fivezivezena, ka hafaliana ho an’ny Antoko TIM ny manolotra izany hivezivezena, ary afaka misitraka izany avokoa ny mponina rehetra na inona na inona firehana politika satria natao hitsinjovana vahoaka io », hoy Atoa Mendrika Rasolonirina, Mpitarika ny TIM ao Alakamisy Fenoarivo. « Ankoatra ny hetsika ara-tsosialy, manomana ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy ihany koa ny TIM eto Alakamisy Fenoarivo satria efa nivoaka ny didim-panjakana. Miomana handray izay fahefana izay izahay hahafahana mampandroso bebe kokoa ny Kaominina, ka izahay tokinareo, ary ianareo tokinay », hoy Atoa Mendrika Rasolonirina. Nambarany fa eo am-pikarakarana indray ny hetsika any amin’ny fokontany hafa satria tsy hisy fokontany ho adino, ary hitohy ny fidinana ifotony sy fanaovana asa sosialy ao anatin’ireo fokontany miisa 5. « Faly tokoa ny fokonolona amin’ny fandraisana azy ity satria tena mijaly tokoa ny tantsaha indrindra rehefa tondraka ny rano. Tena lavitra ny barazy any Atsimo izay hahafahan’ny olona miampita, ka dia isaorana ny TIM », hoy Atoa Justin mponina ao an-toerana. « Faly izahay eto Ambohimasina, tsy mbola nisy tahaka ity hatramin’izao nanaovana, betsaka ireo ben’ny tanàna nitety vanim-potoana izay nitetika hanolotra tahaka an’ity toy ny tao anatin’ny 5 taona, fa izao hitanay izao dia tena mahafaly anay, ary raha izao zava-misy izao dia tena azonay antoka fa ho lany ny kandida arotsaky ny TIM », hoy kosa Atoa Albert nisolo tena ny mponina. Korana sy totorebika moa no namaranana ny lanonam-panolorana, ka nanehoan’ny rehetra fa tsy hijanona eo ny fiarahana fa hifanome tànana hatrany ho an’ny fampandrosoana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-juin-2025

Miha zava-doza hatrany ny delestazy, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana.

Card image cap
24-juin-2025

Nitsotra indray ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) manoloana ny

Card image cap
24-juin-2025

Ankoatr’ireo lasan’ny Sinoa, dia mbola nisy ambikambiny toa notaterina heverina fa

Card image cap
24-juin-2025

Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra fitsarana anio talata 24 jnona i ny mpanao gazety Fernand Cello

Card image cap
24-juin-2025

Mitohy ny antsojay mahazo ireo mponina eny Imerintsiatosika,

Card image cap
24-juin-2025

Ho fanamafisana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany mandritra ny ny fankalazana

Card image cap