Betsaka ireo tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro intsony vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Efa tafakatra 1100 Ar rahateo ny iray kapoaka amin’ny vary eny an-tsena. Tsy lazaina intsony ireo zanaka mahafoy Ray aman-dReny na Ray aman-dReny mahafoy zanaka. Mbola vokatry ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany izay lasa tsy hitiavan-kavana. Manoloana ireny tranga maro samihafa ireny dia naseho tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny fijoroan'ny Groupe Rija Ethel. Nandritra ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny fikambanana Tanora Actif an'i Madagasikara na TAMa izay efa mpisehatra amin’ny asa soa eto amintsika no nampahafantarana izany, tarihin’ny filohany Razafimandimby Rija Ethel. Raha araka ny fantatra dia samy hanampy ny sahirana ireo fikambanana miisa roa ireo ka vehivavy ny ankamaroan’ireo ao anatiny. Tafiditra ao anatin’izany ireo zokiolona eny anivon’ny Boriborintany, ireo ankizy kamboty tsy manam-piahy….
Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantarana ny fitsanganan’ny fikambanana !
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny