Ny vahoaka milomano ao anaty fahantrana sy fahoriana, ny mpitondra tototry ny fahafaham-baraka manara-penitra noho ny tsy fahaiza-mitantana. Dia hoy aho hoe : mbola tsy mahatonga saina anareo ihany ve izao zava-mitranga izao ? Mbola sahy milaza sy miteny fa izao ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Manahy aho fa mbola nofy ririnina ihany ny ahy ilay hoe : mba hanetry tena amin’izay, hanaiky ny fahadisoana, hanarina ny lesoka tamin’ny fitantanana firenena,… Indrisy ry fireneko fa mbola toy ny vorona azon’adala ianao ka raha tsy maty mifoifoy volo. Tsy afaka hanary toky anefa isika, mbola betsaka no azo atao, fa mila fifohazan-tsaina sy fiaraha-mientana !
Tia Tanindrazana
Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga
Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.
Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,